Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahavalo mailo

    Io fahavalo mailo io dia mitsofoka ao amin’ny lafim-piainana rehetra ao an-tokantrano, eny an-dalambe rehetra, any ampiangonana, any amin’ny filan-kevi-pirenena, any amin’ny fitsarana, mampikorontan-tsaina, misandoka, mamitaka hatraiza hatraiza, mandevona ny fanahy sy ny tenan’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy. Mandrava ny fianakaviana izy, mamafy fankahalana, adilahy, fikomiana, ary vonoan’olona. Ary izao tontolo izao dia toa mijery izany zavatra izany ho toy ny efa voatendrin’Andriamanitra rahateo ka tsy maintsy misy. Izay rehetra tsy mpanaraka marina tokoa an’i Kristy dia mpanompon’i Satana. Rehefa misafidy ny hifanerasera amin’ny tsy manana toe-panahy araka an’Andriamanitra ny Kristianina dia mankahatra fakam-panahy. Miery mba tsy ho hitany i Satana ary saronany an-tsokosoko amin’ny fitaka ataony ny mason’izy ireo.IFL 15.3

    Ny fanarahana ireo fomba amam-panaon’izao tontolo izao dia mampiova fo ny fiangonana ho an’izao tontolo izao; fa tsy mampiova fo na oviana na oviana an’izao tontolo izao ho an’i Kristy. Ny fifankazarana amin’ny fahotana dia hahatonga izany tsy haharikoriko loatra intsony. Rehefa tratry ny fitsapana isika, eo ampanaovana ny adidy, dia mahazo matoky fa hiaro antsika Andriamanitra; fa raha minia mankahatra fakam-panahy isika, dia ho lavo, na ho ela na ho haingana.IFL 16.1

    Matetika no mahomby tokoa ny mpaka fanahy amin’ny alalan’ireo izay tsy ampoizina indrindra fa eo ambanin’ny fifehezany. Ny talenta sy ny fahaizana dia fanomezan’Andriamanitra; nefa rehefa mampanalavitra ny tena Aminy ireo dia manjary fandrika. Betsaka ny olona be fahalalana ara-tsaina sy manana fomba mahasarika no fitaovana voalambolambo tsara eo am-pelatanan’i Satana.IFL 16.2

    Aoka tsy hohadinoina na oviana na oviana ny fampitandremana avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra nanakoako hatrany tamin’ireo taonjato nifandimby ka hatramin’izao androtsika izao manao hoe: “Mahonòna tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany’’-1 Pet. 5:8. “Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin ‘ny fanangolen ‘ny devoly.” - Efes .6:11. Eo am-piomanana ho amin’ny ady farany ataony io fahavalontsika lehibe io. Izay rehetra manaraka an’i Jesôsy dia hifandona amin’io fahavalo io. Arakaraka ny hakan’ny Kristianina tahaka akaiky ilay Andriamanitra ohatra, dia arakaraka izany no hahazoany antoka fa ho tarigetra kendren’ny fanafihan’i Satana izy.IFL 16.3

    Namely an’i Kristy tamin’ny fakam-panahy nasiaka sy fetsy indrindra i Satana, nefa resy tosika hatrany izy tamin’ny fifandonana rehetra. Ireo fandresena azony ireo no ahafahantsika mandresy ihany koa. Hanome hery ho an’izay rehetra mitady izany i Kristy. Tsy misy olona azon’i Satana resena raha tsy efa nanaiky ho resiny. Tsy manam-pahefana hifehy ny sitrapo na hanery ny fanahy hanota ilay mpaka fanahy. Azony atao ny mampangorohoro, fa tsy azony atao ny mandoto. Ny fandresena azon’i Kristy dia tokony hampientana ny mpanaraka Azy hiroso tsy amin-tahotra hiady amin’ny fahotana sy i Satana.IFL 16.4

    Ny anjelin’Andriamanitra sy ny fanahy ratsy dia samy ambaran’ny Soratra Masina mazava, ary mifamahofaho tsy azo sarahina amin’ny tantaran’ny olombelona. Ireo anjely masina, izay «fanahy manompo (...) nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova famonjena» - Heb. 1:14, dia heverin’ny maro ho fanahin’ny olona maty. Ny Soratra Masina anefa dia mampiseho porofo fa tsy fanahin’ny olona maty tsy misy vatana tsy akory izy ireo.IFL 17.1

    Talohan’ny nahariana ny olombelona, dia efa nisy ny anjely, satria rehefa napetraka ny fanorenan’ny tany dia «niara-nihira ny kintan’ny maraina ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra” - Jôba 38:7. Rehefa lavo ny olombelona, dia nirahina ny anjely hiambina ny hazon’aina, talohan’ny nisian’ny olombelona maty. Ambony noho ny olona ny anjely fa natao «ambany kely noho ny anjely» ny olona (Heb. 2:76).IFL 17.2

    Hoy ny mpaminany hoe: «Nandre feon’anjely maro manodidina ny seza fiandrianana aho”. Eo anatrehan’ny Mpanjakan’ny mpanjaka no iandrasan’izy ireo - «mpanompony izay manao ny sitrapony», «mihaino ny feon’ny teniny» - Sal. 103:19-21; Apôk. 5:11, «tsy omby alinalina” (Dan. 7:10; Heb. 12:22) izy ireo. Amin’ny maha-mpitondra hafatr’Andriamanitra azy dia «nifanaretsaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka» - Ezek. 1:14, izy ireo, haingam-panidina fatratra. Ilay anjely niseho teo amin’ny fasan’ny Mpamonjy, izay «tahaka ny helatra ny fijery azy” dia nahatonga ireo mpiambina «hiva-dipo noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty” - Mat. 28:3,4. Rehefa niteny ratsy an’Andriamanitra i Sankeriba, ka nandrahona ny Isiraely, «tamin’ny alin’io dia avy ilay Anjelin’i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ny Asyriana” - 2 Mpanj. 19:35.IFL 17.3

    Nampanaovina iraky ny famindrampo ho an’ny Zanak’Andriamanitra ny anjely: tamin’i Abrahàma, mba hitondra teny fikasan’ny fitahiana; tao Sôdôma, mba hamonjy an’i Lota ho afaka tamin’ny fandevonana; tamin’i Elia, raha efa saika maty tany an’efitra izy; tamin’i Elisa, tamin’ny alalan’ny kalesy sy soavaly afo nanodidina ilay tanàna kely nanaovan’ireo fahavalony fahirano azy; tamin’i Daniela, raha navela hoviravirain’ny liona izy; tamin’i Petera, raha voaheloka ho faty tao amin’ny tranomaizin’i Herôda izy; tamin’ireo mpifatotra tany Filipy; tamin’i Paoly tao anatin’ny alina nisian’ny tafio-drivotra tany an-dranomasina; mba hanokatra ny sain’i Kôrnelio handray ny filazantsara; mba haniraka an’i Petera hitondra ny hafatry ny famonjena ho an’ilay vahiny jentilisa - toy izany no niasan’ireo anjely masina hanao fanompoana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra.IFL 17.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents