Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Asa Hotanterahina

    Ry tanora lahy sy vavy, naseho ahy fa manana asa hataonareo Andriamanitra; ento ny hazo fijalianao ary manaraha an’i Kristy, raha tsy izany dia tsy mendrika ny ho Azy ianao. Raha mbola ao amin’ny tsy firaihana mampahonena ianao dia amin’ny fomba ahoana no ahafahanao milaza izay sitrapon’Andriamanitra mikasika anao? Ary amin’ny fomba ahoana no anantenanao ny ho voavonjy, raha tsy manao ny sitrapon’ny tomponao tahaka ny mpanompo mahatoky ianao. Ireo izay hanana ny fiainana mandrakizay dia efa nahavita tsara ny zavatra rehetra avokoa. Hanandratra azy ireo eo an-tanana ankavanany ny Mpanjakan’ny voninahitra, ary hiteny amin’izy ireo hoe: «Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky.” Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao milaza hoe firy ny isan’ireo fanahy izay mety ho voavonjinao tamin’ny faharavana, raha tsy mikatsaka izay asa azonao hatao ao amin’ny tanimboaloboky ny Tomponao ianao fa tsy mandinika ny fahafinaretan’ny tenanao manokana? Firy ireo fanahy azonao tamin’ireny fivoriana firesadresahana sy fanazaran-tena amin’ny mozika natao ho fitaovana ho famonjena ireny? Raha tsy afaka hanondro fanahy iray voavonjy tamin’izany ianao dia miovà, eny miovà famindra. Manomboha mivavaka ho an’ny fanahy, manatòna ho eo akaikin’i Kristy, eo akaikin’ny lanivoany mivoa-dra. Aoka ho fanahy malemy sy tony no handravaka ny fiainanao, ary aoka ho fangatahana amin-kafanam-po sy amin’ny fo torotoro ary amim-panetren-tena no hiakatra eo Aminy mba hanananao fahendrena izay mety hahazoanao fahombiazana amin’ny famonjena tsy ny fanahinao ihany, fa ny fanahin’ny hafa ihany koa.HAT 180.1

    Mivavaha misimisy kokoa noho ny mihira. Tsy eo amin’ny toerana izay liana ny mivavaka kokoa noho ny mihira ve ianao? Ry tanora lahy sy vavy, niantso anao mba hiasa Andriamanitra. Afaka manao asa izay tsy azon’ireo manompo amin’ny teny sy ny foto-pinoana atao ianao. Afaka mahatratra antokon’olona iray izay tsy ho voakasiky ny mpitandrina ianao. - TFC, b.1, tt. 511-513.HAT 180.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents