Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 5 — Andron’ny Fahafaha-Manao

    Misy lesona tokony hianarantsika ankehitriny avy amin’ny fanandraman’ireo izay niasa ho an’Andriamanitra tamin’ny lasa. Kely dia kely no fantatsika ny amin’ny ady sy tolona ary asa nataon’ireny, raha nivonona hifanandrina tamin’ny tafik’i Satana izy ireo. Nitafy ny fiadian’Andriamanitra rehetra izy ireo ka nahafahatra tamin’ny famitahan’i Satana (...)HAT 20.3

    Ireo lehilahy ireo izay, tamin’ny lasa, nanolo-tena ho an’Andriamanitra ka nanandratra avo ny asany dia nifikitra tamin’ny foto-kevitra notanany. Tsy nanaiky ho resy na ho kivy ireo, toa an’i Daniela, feno fanajana sy zoto ho an’Andriamanitra, nanana tanjona sy faniriana ambony Nalemy sy nila fanampiana toy ireo izay, manao izany asa izany ankehitriny ihany izy, nefa nametraka ny fitokisany tanteraka tamin’Andriamanitra. Nanan-karena izy, haren-tsaina sy fanabeazam-panahy. Azon’ny tsirairay raisina koa izany ho an’ireo manao an’Andriamanitra ho voalohany sy farany ary izay tsara indrindra amin’ny zavatra rehetra. Na dia mahantra amin’ny fahendrena, fahalalana, fahamendrehana ary hery aza isika, dia afaka hahazo izany rehetra izany raha mianatra amin’i Kristy ireo lesona tokony hianarantsika.HAT 21.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents