Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 67 — Mamafy Eny Amoron’ny Rano Rehetra

    Miantso ny vahoakany ny Tompo mba hirotsaka an-tsehatra amin’ny sampan’asa samihafa amin’ny asa misiônera, mba hamafy eny amoron’ny rano rehetra. Tsy manao afa-tsy ampahany kely amin’ny asa iriny hataontsika eo anivon’ny mpifanolo-bodirindrina sy ny namana isika. Amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy amin’ny mahantra, ny marary, ny misaona no ahazoantsika hery miasa mangina amin’izy ireo, mba hahita lalana ao am-pony ny fahamarinan'Andriamanitra. Tsy tokony havela handalo fotsiny ka tsy hohararaotina hanaovana asa fanompoana izany toe-javatra izany. Izany no asa misiônera ambony indrindra izay azontsika hatao. Ny fanehoana ny fahamarinana amim-pitiavana sy fangorahana isan-tokantrano dia mifanaraka amin’ny toromarik’i Kristy ho an’ny Mpianany rehefa naniraka azy ireo hivoaka tamin’ny dia misiônera voalohany izy ireo.HAT 190.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents