Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fifandraisana eo amin’ny Fahasalamana sy ny Fanorenan-toetra

    Tsy eken’Andriamanitra ny fiodinana amin’ny Lalàny. Fa ny olona, rehefa lavon’ny fakam-panahy afafin’i Satana amin’ny alalan’ny tsy fahononan-tena dia ho voatariky ny tendany ho eo ambany vahohon’ny fitiavan-kena sy ny fahafinaretan-dratsy. Rehefa voafitaka ny olombelona, noforonina ambany kely noho ny anjely ary nanana ny fahafahana sy ny toe-tsaina ambony indrindra, dia tonga voafehin’i Satana. Mora indrindra ho azy ny maka fanahy ary manandevo ny olombelona amin’ny alalan’ny fihinana. Ho an’ny sasany ny antsasa-manila amin’ny tenany, ny sasany ny androan-tokony amin’ny vatany sy ny sainy ary ny fanahiny vokatry ny tsy fahalalana onony, dia tonga tany fiadian’ny fahavalo.HAT 208.2

    Ireo izay manana fahafaha-manavaka ny ratsy afafin’i Satana dia tsy maintsy mahay mifehy ny filan’ny vatany eo ambany fisainana voalanjalanja. Ny fanazarana ny fisainana voarindra sy voakolokolo no tena ilain’ny fanofanana ny toetra kristianina. Ny hery na ny fahalemen’ny saina dia misy fiantraikany amin’ny antom-pisiana sy ny famonjena fara tampony. Manjaka eo amin’ny vatana ny tsy fahalalana ny lalàn’Andriamanitra. Ny tsy fahalalana onony amin’ny endriny rehetra dia samy fanitsakitsahana ny lalàna maha-olona ny olona izay mampahonena ary tena mahatahotra. Mba hahavoafitaka ny olombelona dia ataon’i Satana miendrika fahazavana ny fahotana ary dia faly aoka izany izy rehefa tafiditra ao anatin’ny vela-pandriky ny fahazaran-dratsy toy ny fombafomba jentilisa sy ny hatendan-kanina ny Kristianina (...)HAT 209.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents