Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 74 — Fanabeazana Voalanjalanja

    Ireo fotoana atokana amin’ny fampiasam-batana dia tsy tokony ho very maina. Manozona ny tenany ireo mpianatra miondrika lava eo amin’ny boky fianarana ary manamaivana ny fivoahana ivelan’ny trano. Zava-dehibe ho an’ny taova sy ny vavahadin-tsaina eo amin’ny vatana ny asa mifanentana ataony mba hampirindra ihany koa ny asa ataon’izy ireny. Miteraka fahaverezan-kery ho an’ny vatana sy ny saina manontolo ny fanerena ny saina hiasa mafy ary koa mahatonga fanaovana an-kilabao ireo taova sasany ao amin’ny tena. Rehefa mitotongana ny herim-batana dia tsy manan-kery hoentina miasa ny saina, ny vokany dia fahataitairana tsy amin’antony.HAT 210.2

    Ny lehilahy sy ny vehivavy maniry ny hanana toetra voalanjalanja dia tsy maintsy mampivelatra ny heriny rehetra. Misy ny olona tokam-piaina satria iray ihany no vavahadin-tsaina nokolokoloiny, hany ka maty avokoa ireo vavahadin-tsaina sisa. Maro ny tanora no tsy mahomby satria manao tsirambina izany fampiharana izany eo amin’ny fiainany. Tsy maintsy ampiarahina ny asa saina sy ny asa vatana mba handanjalanjana ny fahasalaman’ny saina ary koa hampisy fivelarana mahomby eo amin’ny hery rehetra ampiasaina. — Counsels to Teachers, Parents and Students, tt. 295, 296.HAT 210.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents