Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Tena Filôzôfian’ny Fiainana

    Hitarika antsika ho amin’ny fahadiovana sy ny fanetren-tena ny fisainana ny maha-Andriamanitra an’Andriamanitra sy izay takiny araka izay takiny amintsika. Amin’ny alalan’ny fianarana ny Teny masin’Andriamanitra no hahitana ny fetry ny fahalalan’olombelona. Asehony fa tsinontsinona ny fahalalan’olombelona raha tsy misy famonjena avy amin’Andriamanitra. Fahalemena sy tsy fahatanterahana avokoa izany.HAT 230.2

    Porofo ahafantarana Ilay Loharanon’ny famonjena sy ny fahasambarana marina ny fanekena ny fitarihan’Andriamanitra, izany hoe manjary afaka mandray ny tombon-tsoa manodidina rehetra ny tena. Tsy misy olona afaka hankafy ny fiainana tsy misy fivavahana. Ny fitiavan’Andriamanitra no manadio sy manandratra ny faniriana sy ny fironana, manamafy ny fitiavana, mampionona ireo filàna. Mahatonga ny olona hahay hankasitraka ny fahamarinana tsara sy mifaly amin’izany ny fitiavan'Andriamanitra.HAT 230.3

    Tokony hoheverintsika ambonin’ny zavatra rehetra ny Baiboly satria izy no milaza ny fikasan’Andriamanitra. Mampahafantatra ny tanjon’ny famoronana ary ny fomba ahatrarana izany izy. Ianarantsika ao ny tokony handraisana ny hoavy. Tsy misy boky hahafeno ny filàn’ny fahalalana sy ny fo. Ny fahazoana ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fandraisana izany ho an’ny tena no hanaisotra ny olona ho lavitry ny fahapotehana ary hahatonga azy ho zanak’Andriamanitra sy hitoviany amin’ny anjely izay tsy mba nanota. — Counsels to Teachers, Parents and Students, tt. 52—54. HAT 231.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents