Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 92 — Miaro Tsara ny Vavahadin’ny Fanahy

    «Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana fa avy ao aminy no ihavian’ny aina» -Ohab. 4:23. Izany no torohevitry ny lehilahy hendry. Tsy mety hadio lalandava ny fo raha tsy voatondraka sy nohavaozin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Toy ny manorina trano eo ambonin’ny fasika mandrevo, izay azo antoka fa ho voarodan’ny tafio-drivotry ny fakam-panahy, ny fikasana hamolavola toetra mendrika sy mahitsy misaraka amin’ny fahasoavana avy amin’ny Mpamonjy. Ity vavaka ity no aoka hipololotra avy ao amin’ny fo tsirairay avy: «Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô: ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko» -Sal. 51:10. Ary rehefa tonga mpiray lova amin’ny fanomezana avy any an-danitra dia afaka handroso ho amin’ny fahatanterahana miaraka amin’izay «arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana» isika -1 Pet. 1:5.HAT 248.2

    Tsy maintsy manan-javatra hatao izay olona rehetra manam-paniriana hanohitra ny fakam-panahy sy handositra ny zana-tsipìka alefan’ny fahavalo. Tsy maintsy hitandrina fatratra ny sakafo afahany ny fanahiny izy. Tokony halaviriny ny hamaky sy hijery ary hihaino rehefa mety ho zavatra hanisika fieritreretana maloto. Aoka isika tsy handefa fisainana tsy misy antony amin’izay zavatra rehetra ampandalovin’ny fahavalo eo anoloan’ny masontsika. «Sikino ny sainareo», hoy ny apôstôly Petera amintsika, «dia mahonòna tena, (...) tsy mitondra tena araka ny filànareo fahiny tamin'ny tsy fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan ‘Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin ‘ny fitondran-tena rehetra» -1 Pet. 1:13-15. Hoy koa ny apôstôly Paoly: «na inona na inona marina, na inona na inona mana-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera dia hevero izany”-Fil. 4:8. Vavaka mafana sy fiambenana tsy mety sasatra miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahy Masina tsy tapaka, izay hisintona ny saintsika ho any amin’ny zavatra ambony ary hanazatra azy hitoetra amin’ny zavatra madio sy masina, no ilaina amin’izany. Tena ilaina, noho izany ny mianatra amim-pahazotoana ny Tenin’Andriamanitra. «Inona no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto?» hoy ny fanontaniana napetraky ny mpanao salamo. Dia hoy ny navaliny: «Ny fitandremana araka ny teninao (...). Ato am-poko no hiraketako ny teninao, mba tsy ho hanotako Aminao» -Sal. 119:9,11 — Patriarika sy Mpaminany, tt. 481, 482.HAT 249.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents