Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fifantenana ny Boky Hovakina

    Nandritra ny alina aho no nifidy sy nametraka teny ankilany ireo boky tsy mahasoa. Tokony hofidintsika ho an’ny tanora ireo boky izay mampahery azy amin’ny fahamarinana sy mametraka azy ho eo amin’ny Tenin’Andriamanitra. Naseho tamiko tamin’ny lasa izany, ary mieritreritra aho fa tokony hasehoko izany ary havoitrako manokana ny tena lanjany. Aoka tsy homentsika ny tanora ny boky tsy mahasoa. Boky mitondra soa ho an’ny fanahiny no ilainy.HAT 251.2

    Tsy mieritreritra ny hanao fijoroana ho vavolombelona ho an’ny vahoakantsika intsony aho. Manana lehilahy mahery isika izay mahafantatra tsara ny drafitra hamitana ny asa. Rehefa hetsehin’ny fitiavan’Andriamanitra izy ireo dia tokony hianatra lalindalina hatrany ny amin’ny zava-masina. Maniry mafy aho ny hamakian’ny tanora boky madio; ary mba ho toy izany koa ny olona efa nahazoazo taona. Tokony hifantoka indrindra eo amin’ny fahamarinan’ny fivavahana ny masontsika. Tokony hisokatra mandrakariva amin’ny fahamarinan’ny Soratra Masina ny saina amam-panahintsika. Manafika antsika i Satana rehefa tsy tonga saina ny amin’izany isika. Mazana tsy mahafaly antsika izany satria teny fanairana sy fampitandremana ho antsika izay tokony hoheverina mandrakariva.HAT 251.3

    Azo atao ny manao fampianarana mahaliana hahafahana mitarika fanahy maro. Azoko atao ny manao amim-pifaliana hanomana boky ho an’ny tanora raha tahiny mbola misy fotoana hahafahana manao izany.HAT 252.1

    Tsy maintsy miasa ny tanora mba hamolavolana azy ireo ho amin’ny fahamarinana masina. Faniriako lalina ho an’ny tanorantsika izany ka hahalalany ny tena dikan’ny fanamarinana amin’ny finoana sy ny fahamasinan’ny toetrany ka hanomana azy ireo ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Tsy mieritreritra ny mbola ho ela velona aho fa te hametraka izao hafatra izao mba tsy hialan’ireo tanora amin’ilay tanjona ambony indrindra.HAT 252.2

    Maniry mafy aho ny hampaherezanareo ny tanora hankasitraka ny famindrampo sy ny fahasoavan’Andriamanitra. Aoka hiasa sy hivavaka isan’andro ny tanora mba hitahiry ny fitiavana ny lanjan’ny fivavahana marina ary hizara ny fahamasinana sy ny fitiavan’Andriamanitra. Tsapako mantsy fa toa nohamaivanina izany asa lehibe tokony hatao izany.HAT 252.3

    Tsy misy afaka hilaza fa mbola haharitra ela aho, kanefa resy lahatra aho fa Andriamanitra no nanosotra ahy. Fantany tsara ny alaheloko mahita ny fiainam-panahy mirefarefan’ireo milaza azy ho Kristianina. Fantatro fa tokony ho voalohan-daharana eo amin’ny fiainako ny fahamarinana ary tsy maintsy mijoro ho vavolombelona amin’ny olona aho. Tiako tokoa raha manao izay azonareo atao ianareo ka hizara izao sora-tanako izao amin’ireo tanora maro any an-dafin’ny riaka.HAT 252.4

    Ilazao izy ireo fa manana tombontsoa maro sesehena ara-panahy. Miandry azy ireo Andriamanitra hanaparitaka ny fahamarinana amin’ny olona rehetra maneran-tany. Tsapako fa nantsoina hilaza izany aminareo aho. - FCE tt. 547-549.HAT 252.5

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents