Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fampiasana Tsara ny Talenta

    Hanome antsika fivoarana eo amin’ny asantsika ny Fanahin’Andriamanitra raha ampiasaintsika amin’ny tsara indrindra mandrakariva ny talentantsika. Hoy Andriamanitra tamin’ilay mpanompo nampiasa tsara ny talentany: «Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely hianao dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin ‘ny fifalian'ny Tomponao” -Mat. 25:23. Ilay nomena talenta iray koa dia tokony ho nanao izay azony natao amin’izay hampitomboana ny talentany.HAT 262.1

    Nanome asa ho an’ny olona rehetra Andriamanitra, «Samy araka ny fahaizany avy» -Mat. 25:15. Fantatr’Andriamanitra ny andraikitra tokony ho vitantsika sy ny adidy tokony hapetraka amintsika. Ho an’ny olona izay mahatoky indrindra, nomena ny iraka: mitokia amin'Andriamanitra hatrany hatrany. Toy izany no ahafahantsika manatratra ny fahatanterahana ao amin’i Jesôsy Kristy amin’ny alalan’ny famindrampony.HAT 262.2

    Moa tsy manana afa-tsy talenta iray va ianao? Apetraho any amin’ny mpampanàm-bola izany ka hitombo avo roa heny. Ataovy izay hitan’ny tananao fa azo atao amin’ny alalan’ny herinao. Aoka hanana fahendrena ianao mba hahafahana mandray ny vokatra rehetra azo andrasana avy amin’izany. Hahazo valisoa be dia be ianao any am-parany, handre izao teny izao: «Tsara izany!» Nefa natao ho an’ireo izay nanao ny andraikiny tsara ihany izany teny izany.HAT 262.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents