Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Misy Fotoana Very Maina

    Ry tovolahy sy tovovavy, tsy misy fotoana tokony harianao mihitsy. Ento hanorenana ny toetrao amin’ireo fitaovana mafy indrindra izany. Amin’ny anaran’i Kristy, miangavy anareo aho, matokia! Tereo ny tenanao hameno ireo fotoana very. Lanio amin’ny asan’Andriamanitra ny fotoanao, amin’izay tsy ho lany amin’ny fotoana fidonanaham-poana ianao, na handany ny volanao amin’ny fahafinaretana. Mitady olona maniry ny hivoatra sy ho voavolavola tahaka an’i Kristy ny lanitra. Hanao asa lehibe ho an’izay mietry ao amin’i Kristy ny Fanahy Masina.HAT 262.4

    Ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky nohetsehin’ny toe-tsaina tia mahafoy dia handany ary handany hatrany ny volany ho fanasoavana ny hafa. Hoy i Kristy ao amin’ny Jao. 12:25: «Izany tia ny ainy no makavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hiaro izany amin’ny fiainana mandrakizay». Amim-pahalemem-panahy no hanaovana ezaka hanampiana ireo mila vonjy ka hanaporofoan’ny Kristianina mahatoky ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny mpiara-monina aminy. Eny, fa na dia hafoiny amin’izany aza ny fiainany dia ho azony ihany izany rehefa ho avy indray i Jesôsy Kristy. - Youth ‘s Instructor, 10 Sept. 1907.HAT 263.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents