Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 99 — Toe-Tsaina Tia Mahafoy

    Feno fitsiriritana, fitadiavana ny tsara indrindra sy ny karama ambony indrindra no toetr’izao tontolo izao. An-kavitsiana no ahitana olona tia manome sy mahafoy izay ananany. Io anefa no tokony ho toe-tsain’izay te ho mpianatr’i Kristy. Nampianatra antsika ny Tompontsika hoe «ahoana no fomba fiasa”, amin’ny ohatra avy Aminy. Hoy izy amin’ireo rehetra izay nasainy: « Fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy » Mat. 4:19, tsy manome karama tsy miovaova amin’izany asa izany Izy. Efa nanome sy namoy ny ainy Izy.HAT 264.1

    Ireo izay milaza azy ho mpanaraka Ilay Tompo Lehibe ary milaza azy ho mpiara-miasa Aminy dia tokony hanao ny asany izay notakin’Andriamanitra taminy amim-pahamarinana, amim-pahendrena ary amin’ny herim-pony rehetra eo am-panaovana ny asa ao amin’ny tabemakely. Ankehitriny, tahaka ny tamin’izany fotoana izany sy tahaka ny tamin’ny andro nanaovan’i Kristy ny asany tefỳ an-tany, ny fitiavana ho an’Andriamanitra sy ny toe-tsaina tia manome no anisan’ireo fepetra voalohany amin’ny asa azo ekena. Tsy tian’Andriamanitra hisy fitiavan-tena ao amin’ny sahany. - RH, 4 Jan. 1906 .HAT 264.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents