Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 100 — Ny Ampahafolony

    Tonga tefỳ an-tany i Kristy ary nampianatra ny amin’ny fahatokiana. Izy Ilay Lehibentsika no mitantana sy mandidy antsika hanaraka ny ohatra nasehony. Napetrany tamintsika ny hafatra amin’izao tontolo izao. Tsy maintsy aparitaka any amin’ny tany rehetra, amin’ny fiteny rehetra, amin’ny olona rehetra ny fahamarinana izay torintsika. Tsy maintsy resen’i Kristy sy ny mpianany ny herin’i Satana. Tsy maintsy fantarina ny dikan’izany rehetra izany mba hampandeha tsara ity asa ity. Tsy mivantana avy amin’Andriamanitra avy any an-danitra izany, kanefa atolony eo am-pelatanan’ireo mpanaraka Azy ny volany mba hampiasaina ho amin’izany.HAT 264.4

    Nametraka drafitra ho an’ny vahoakany Andriamanitra mba hahazoan’izy ireo manangona vola hanatanterahana ny asa. Io drafitra io dia ny ampahafolony izay sady tsara no tsotra ary marina. Afaka manaraka izany amim-pinoana sy amin-kerim-po ny tsirairay satria avy amin’Andriamanitra izany. Sady tsotra izy no mahasoa ary tsy ilàna fianarana lalina be akory ny fahazoana sy ny fanatanterahana azy. Afaka mahafantatra ny olona rehetra fa azony atao ny miara-miasa amim-pandresena amin’ny asam-pamonjena. Ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra, ny tanora rehetra dia afaka manangona vola ho amin’ny asan’Andriamanitra. Hoy ny apôstôly Paoly ao amin’ny 1 Kôr. 16:2: « Samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin'ny inona na amin'ny inona no anambinana azy ».HAT 265.1

    Misy tanjona lehibe azo tratrarina amin’ny alalan’io drafitra io. Raha toa ka ekentsika rehetra izany, ny tsirairay dia ho lasa mpitandrina mahay sy mahatoky, mpiadidy avy amin’Andriamanitra ary tsy hisy intsony ny olana ara-bola ao anatin’ny asan’Andriamanitra izay mitondra ho an’izao tontolo izao ny hafatry ny fampitandremana. Raha manaraka io drafitra io ny mambra tsirairay dia ho feno ny fitoeram-bola ary tsy hisy olona hahantra intsony. Ny fampiasantsika ny volantsika sy ny fananantsika ho amin’izany no hampiray antsika hatrany hatrany ho amin’ny fahamarinana. Dia tahaka izany no anangonantsika « Ka dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy mba hihazonany ny tena fiainana ». 1 Tim. 6:19 -TFC, b.3, tt. 388,389.HAT 265.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents