Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 104 — Tahiry eo amin’ny Fitafiana

    Tokony hifehy tena mihitsy ny zanak'Andriamanitra eo amin’ny fandaniana ataon’izy ireo mba hahafahany mitondra izay anjarany ho eo Aminy ary hiteny hoe: «Nandray taminao izahay ary mitondra ny anjaranay ho eo Aminao”. Toy izany no fijoroana ho vavolombelona feno fankasitrahana tokony hatao eo imason’Andriamanitra. Mihary harena any an-danitra tokoa mantsy ny fanaovana izany.HAT 273.2

    Mandany vola be amin’ny fitafiana tokoa mantsy ny olon’izao tontolo izao, vola be tokony hanafiana sy hamahanana ny mahantra. Maro amin’ireo nanoloran’i Kristy ny ainy no zara raha mihinana ary zara raha mitafy mitaha amin’ireo an’arivony mandany vola amana hetsiny maro hanarahana ny lamaody farany vao nivoaka.HAT 273.3

    Milatsaka ny tenin’i Jehôvah, mba hiavahan’ny zanany sy hisarahany amin’ireo olon’izao tontolo izao. Tsy mety mihitsy ho an’izay olona miaina amin’ny fotoam-pahasoavana ny mandany vola amin’izay lamaody. Ny Apôstôly Paoly dia milaza fa: « (...) toy izany koa ny vehivavy: hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fabononan-tena fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy fa amin'ny asa tsara (mpilaza soa ny amin’Andriamanitra), araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra ». -1 Tim 2:9,10.HAT 273.4

    Eny, misy amin’ireo milaza azy fa zanak’Andriamanitra tokoa anie no mbola mandany vola sy mandany fotoana amin’ny firavahana sy ny lamaody e! Ry rahavavy, tokony ho mendrika sy ho tsara ny fitafiantsika, kanefa rehefa mividy fitafiana ho anareo ianareo ary koa ho an’ny zanakareo, aoka hotsaroanareo mandrakariva fa mila vola ny sahan’ny Tompo. Marina tokoa fa ilaina ny mividy zavatra tsara tarehy ary vita tsara; efa fanaovana tahiry tokoa izany; kanefa tsarovy fa tsy ilaina ny manao fandaniana mihoapampana amin’ny rendrarendra izay vola tokony hampiasaina eo amin’ny asan’Andriamanitra.HAT 274.1

    Tsy ny fitafianao tsy akory no hanome tombambidy ambony anao eo imason’Andriamanitra. Fa ny fahatsarana ao anatinao, ny fahasoavan’ny Fanahy ao aminao, ny tenim pitiavana ataonao ary ny fitiavanao ny hafa, izany no ankasitrahan’ny Tompo. Ataovy zava-poana ny fitiavana lamaody fa manokàna tena sy fotoana amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra dia hanana tahiry ianao.HAT 274.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents