Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 106 — Tahiry sy Asa Soa

    Betsaka no tsy mahay manavaka ny tahiry sy ny fahihirana. Ny tahiry anefa no akaiky indrindra amin’ny fahafahana. Rehefa tsy misy tahiry, dia tsy misy fahafahana. Tsy maintsy manao tahiry isika mba hahafahantsika manome.HAT 280.1

    Tsy misy olona afaka hanao asa soa raha tsy manana fanoloran-tena. Afaka manao ny asa toy ny nataon’ny Tompontsika isika rehefa manana fahatsoram-piainana sy manana fanoloran-tena ary manao tahiry. Tsy maintsy ampanalavirina ny fontsika ny avonavona sy ny hambom-pon’izao tontolo izao. Tokony ho hita eo amin’ny asa ataontsika ny fiainana feno fandavan-tena nasehon’i Kristy tamin’ny asa nataony ka tokony ho hita mipetaka eny amin’ny rindrin’ny tranontsika ny soratra manao hoe: «ampiantranoy ao an-tranonao ny mahantra tsy manam-piahy”; tokony ho hita eny amin’ny fitoeran-damba eny ny tanan’Andriamanitra manoratra hoe: «tafio ny mitanjaka” ary voasoratra eny ambony latabatra feno sakafo eny ny soratra hoe: «zarao amin’ny noana ny sakafonao”.HAT 280.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents