Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fotoana mety Hiantrana

    Mbola misy an’arivony maro ireo varavarana misokatra eo anoloantsika. Mazàna isika no mimenomenona fa tsy ampy ny fotoana ahazoantsika miasa kanefa nety ho arivo heny ny vokatra raha toa ka nampiasaintsika tamin’ny fomba nahery vaika ireo fotoana nananantsika hatrizay. Indrisy fa ny fitiavan-tenantsika no mibahana tsy hahavitana izany asa izany.HAT 280.3

    Ohatrinona moa ny vola lany amin’ny sampy, toy inona no andaniantsika ny ron-dohantsika sy ny fotoantsika kanefa dia tokony hampiasaina amin’ny adidy ambony indrindra napetraka tamintsika! Ohatrinona tokoa moa ny vola lanintsika amin’ny trano sy ny fananantsika hampifalifaliantsika ny tenantsika, amin’ny haingitraingitra sy ny sakafo ary ny hanim-pito loha, tsy misy fiantrana akory! Zavatra tsy ilaina akory ary tena mampalahelo, kanefa maro amin’ny Kristianina no mirona manao izany, andaniana vola sy fotoana ambony lavitra noho ny fitadiavana fanahy rembin’ny mpaka fanahy.HAT 280.4

    Maro amin’ireo izay milaza azy ho Kristianina no mandany ny fotoany amin’ny fitafiana, sady tsy mahafantatra no tsy mizara akory izay ilain’ny hafa. Mihevitra izy ireo fa tsy maintsy mitafy ny fihaingoana lafo vidy indrindra ary tsy maintsy manana ny akanjo tsara indrindra na toy inona na toy inona, tsy miraika akory amin’izay mba tokony hananan’ny hafa, eny, ireo izay tsy manana ny fahafaha-mividy akory hitafy ny fitafiana tsotra indrindra aza.HAT 281.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents