Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Angony ny Sisa tsy lany

    Ry rahavaviko, raha ampifandraisinao amin’ireo fitsipika nomen’ny Baiboly ny fomba fitafinao dia hanam-be ianao hanampianao ireo rahavavy mahantra kokoa. Tsy vola fotsiny no hanananao fa fotoana koa. Matetika dia tena ilaina indrindra io farany io. Betsaka ireo izay azonao ampiana amin’ny alalan’ny torohevitra, amin’ny alalan’ny fahaizanao toetr’olona sy amin’ny fahakinganao. Asehoy azy ny fomba fiakanjo tsotra kanefa tsara. Betsaka ny vehivavy mijanona lavitra ny tranon’Andriamanitra satria miavaka loatra amin’ny akanjon’ny hafa ny fitafiany efa tonta sady tsy mety aminy. Betsaka ny fanahy mora tohina no mahatsapa fahambaniana mangidy sy tsy rariny noho io fahasamihafana io. Ary noho izany dia betsaka no voatarika hisalasala ny amin’ny maha-zava-misy ny fivavahana ka manamafy ny fony hanohitra ny Filazantsara.HAT 281.2

    Mibaiko antsika i Kristy: «Angony ny sisa tsy lany mba tsy hisy ho very”. Raha an’arivony no maty isan’andro noho ny mosary, ny fandatsahan-dra, ny afo sy ny areti-mandringana dia anjaran’izay rehetra tia ny namany ny mijery sao misy zavatra notobatobaina, sao misy zavatra nolaniana tsy amin’antony, izay mety ho nanasoavana olombelona iray.HAT 281.3

    Tsy mety ny mandany foana ny fotoantsika, tsy mety ny mandany foana ny eritreritsika. Very ny fotoana rehetra natokantsika hitadiavantsika ny ho an’ny tenantsika fotsiny. Raha voalanjalanja ny tombambidin’ny fotoana rehetra ka ampiasaina tsara dia hanam-potoana isika ho an’izay rehetra ilaintsika atao ho an’ny tenantsika sy ho an’izao tontolo izao. Amin’ny fandaniam-bola, amin’ny fampiasana ny fotoana, ny hery, ireo fotoana mety nomena antsika, aoka ny Kristianina tsirairay hiandry fitarihana avy amin’Andriamanitra. «Raha misy tsy manam-pahalalana, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra izay manome malalaka ny olona rehetra sady tsy mandatsa, dia homena azy izany» -Jak. 1:5. — Tanamasoandron'ny Fahasalamana, t. 168.HAT 282.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents