Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Valisoan’ny Reny

    Rehefa tonga ny fitsarana ka hosokafana eo anoloana ny boky ary hanonona ny valim-pitsaran’ireo nanao ny tsara Ilay Mpitsara Lehibe ary hapetraka eo amin’ny handrin’ny mpandresy ny satroboninahitry ny voninahitra tsy mety lo, dia maro no hanandratra ny satroboninahiny avy amin’ny tany rehetra ka hanondro ny reniny ary hihiaka hoe: «Ny reniko no nahatonga ahy toy izao noho ny fahasoavan’Andriamanitra. Ireo fampianarana nomeny sy ny vavaka nasandrany no nahatonga izao fitahiana lehibe izao ho famonjena mandrakizay ho ahy” (...) Tokony ho voaofana hijoro ho mahatoky ireo tanora manoloana ny ratsy misavovona ankehitriny, hanao izay rehetra azony atao hampitsaharana ny hadalana, hampirisihana hanao ny marina sy ny mahitsy ary ny madio hatrany. Ny toetra tsara notovozina tamin’ireo taona voalohany teo amin’ny fahazazana dia hijanona ho toetra maharitra eo amin’ny fiainana. Ny fanabeazana ratsy na ny fifandraisana ratsy no mazana miraikitra ao amin’ny sain’ny tanora izay tsy mety ho voafafa ao aminy mandrakizay. — Signs of the Times, 3 Nôv. 1881.HAT 288.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents