Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 111 — Fanajana sy Fitiavana ireo Ray aman-dReny

    Ireo izay tena maniry hanaraka an’i Kristy dia tokony hanolotra ho Azy ny fony manontolo mba hanjakany. Tokony ho solon-tenan’ny Fanahy Masina sy ny toetr’i Kristy izy ireo ao an-tokantranony ka haneho hatsaran-toetra sy halemem-panahy amin’ireo izay mifampikasoka aminy.HAT 289.1

    Maro ny zaza milaza ho mahafantatra ny fahamarinana kanefa tsy manaja sy mankasitraka akory ny ray aman-dreniny, indrisy fa sombintsombim-pitiavana sy fankatoavana kely no mba asetriny ireo nahitany masoandro, mazàna aza ireo tanora ireo no mampiahiahy azy ireny. Maro amin’ireo milaza azy ho kristianina no tsy mahalala akory ny dikan’ny hoe manaja ny ray sy ny reny, tsy natao ho azy ny tohin’ny teny fikasana manao hoe: «mba ho maro andro hianao any amin ‘ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao».HAT 289.2

    Mihambo ho mitandrina ny didin’Andriamanitra tokoa anie ny tanora kanefa maro amin’izy ireny no manao tsinontsinona ny didy fahadimy; vokany: tsy tanteraka amin’izy ireny ny teny fikasana lehibe izay omena ireo izay mitandrina izany didy izany, dia izay manaja ny rainy sy ny reniny. Koa raha tsy mibebaka amin’izany fahotany izany izy ireo, ary manova ny fomba fitondrany ny tenany eo ambany fahasoavan’i Kristy dia tsy hiditra velively any amin’ny tany vaovao ary hitoetra any mandrakizay. Mazava ho azy fa tsy afaka hanaja an’Andriamanitra, Ilay Rainy any an-danitra mihitsy ireo izay tsy manaja ny rainy sy ny reniny ety ambonin’ny tany. Ary izay tsy mahomby amin’izay fanandramana izay dia tsy afaka hatahotra an’Andriamanitra, eny tsy hankatò Azy ary tsy afaka ny hiditra any amin’ny tany nampanantenaina.HAT 289.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents