Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanapahan-Kevitra Hankatò

    Mila mandray fanapahan-kevitra ny tanora ankehitriny hanao safidy ny amin’ny hoaviny. Ry tanora, manao antso ho anareo aho anio hankatò ny didin’Andriamanitra izay mifono teny fikasana lehibe ho anareo: « any amin’ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao ». Tianao ve ry tanora ny handova ny fiainana mandrakizay? Hajao ny rainao sy ny reninao (...)HAT 290.1

    Raha toa tsy nankatò sy tsy tia ny ray aman-dreninao ianao tamin’ny fotoana lasa, mibebaha ka miverena eo amin’ny Tompo indray. Tsy misy lalan-kafa azonao isafidianana ary tsy manana vahaolana ianao ka ho very raha tsy manao izany safidy izany. Fantatr'Ilay Mahafantatra ny ao am-po ny fihetsikao sy ny ao an-tsainao ao manoloana ny ray aman-dreninao, lanjainy amin’ny mizana volamena ao amin’ny Efitra Masina Indrindra ao an-danitra izay rehetra ataonao. Eny, mifonà Aminy ary mibebaha ny amin’ireo fotoana nanaovanao tsinontsinona ny ray aman-dreninao, ny tsy fankasitrahana nataonao azy ireo ary ny tsy nanajanao ny didy masin’Ilay Ray (...)HAT 290.2

    Mangorakoraka ny fon’ny ray aman-dreny manoloana ny fihetsiky ny zanany, ka ho sahinao ve ny tsy hanoina amin’ny fihetsika tsy mahay mankasitraka azy ireo? Tiany ny fanahinao, maniry ny hamonjena anao izy ireo, moa mbola ho sahinao ny hanao tsinontsinona ny torohevitra omen’izy ireo ka mbola hanarahanao ireo sitrapo ratsinao? Tsy efa nanaraka ny sitrapon’ny sainao va ianao kanefa efa fantatrao izao fa tsy sitrapon’Andriamanitra ny hanaovanao izany? Maro amin’ireo tanora no manapaka ny lalan-dran’ny ray aman-drenin’izy ireny ary mahafaty azy vokatry ny ratram-po mahazo azy noho ny tsy fankatoavan’izy ireo. — YI, 22 Jona 1893.HAT 290.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents