Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mampifaly ny Ray aman-Dreny

    Ireo ankizy kristianina dia hanome lanjany ny fitiavana sy ny fankasitrahan’ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra mihoatra ny zavatra rehetra. Ho tia sy hankatò ny nahitany masoandro izy ireo. Tsy hisalasalany fa ataony laharam-pahamehana sy voalohan-daharana eo amin’ny fiainany izay hahasambatra ny ray aman-dreniny. Amin’izao fotoan’ny fikomiana izao, ny ankizy tsy manara-dalàna sy tsy mahay mankatò dia tsy mahalala ny adidy tokony hataony amin’ny ray aman-dreniny. Mazàna, zaza tsy mahay mankasitraka sy tsy mba manaja olon-dehibe izy ireny.HAT 293.1

    Ny zaza mpihanta sy mpidongy dia mazana mpangata-dava, ary raha vao tsy toavina ny fangatahany dia kivy sy tsy manan-kery hiadiana intsony izy. Toy izany no fiainany mandraka antitra, olona mahantra, mpiankin-doha amin’olona lava, miandry tolorana mandrakariva. Ka na rehefa olon-dehibe aza izy dia mbola mihevitra fa atao hamono sy hanala baraka azy daholo ny fanoherana rehetra atao azy, ary milaza fa anaovana ny tsy rariny foana izy. Vokatr’izany, mampitondra fahasahiranana ny hafa mandrakariva izy fa tsy afaka mizaka tena irery, mpimonomonon-dava ary tsy mahari-pery amin’ny zava-tsarotra mianjady aminy (...)HAT 293.2

    Ny ankizy dia tokony hahafantatra mandrakariva fa manana adidy lehibe amin’ny ray aman-dreniny izay nitaiza sy nikarakara ary nanolokolo azy. Tokony hahatsiaro isan’andro izy fa ireo ray aman-dreny ireo dia mijery sy mandinika ary mitady izay hahasoa ny zanany. Raha ray aman-dreny mivavaka sy matahotra an’Andriamanitra ny ray aman-drenin’izy ireo dia hihevitra mandrakariva izay handehanan’ny zanany amin’ny lala-marina. Mavesatra tokoa mantsy ny fon’ny ray aman-dreny rehefa misy fahadisoana ataon’ny zanany. Hiverin-dalana ka hibebaka sy hifona ny zaza mahafantatra izany ratram-po mahazo ny ray aman-dreny izany. Raha mba fantany mantsy ny ranomason’ny reniny ary raha mba henony mantsy ny vavaka ataony amin’Andriamanitra ho azy ireo isan’andro, raha mba reny ny sentom-pony ka fantany ny ratram-po dia hifona sy hitalaho izy hangataka famelana ny helony (...)HAT 294.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents