Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mitondra Fahasambarana ho an’ny Tokantrano

    Raha toa ny tanora zazalahy te hitondra hery miasa mangina tsara eo anivon’ny fiarahamonina hisy azy, dia tsy maintsy manomboka izany ao an-tokantranony izy Raha toa ka mirona manaraka ny hevitry ny saina tsy amim-piheverana izy fa tsy mandray fanapahan-kevitra madio tamim-pahamalinana sy voalanjalanja ary nosainina tsara, dia tsy ho fitahiana ho an’ny fiarahamonina na ny fianakaviany mihitsy izy ary ny hoaviny aza dia ho loza mitatao ho an’izao androntsika izao.HAT 296.3

    Betsaka amin’ireo tanora no mihevitra fa ny ampahany voalohany amin’ny fiainany dia azony atao amin’izay itiavany azy, tsy maintsy laniny amin’ny fanatanjahan-tena tsy mahasoa, amin’ny vanivany sy ny fitsilamodamohana ary ny fahafinaretana tsy ilaina. Misy amin’izy ireo no mandany ny fotoany amin’ny hadalana mihoapampana sy ny fahafinaretana etsy sy eroa. Tsy mahatsapa akory izy ireo ny zava-marina mikasika ny fiainana fa mianina sy mitombo amin’ny toe-tsaina tia fahafinaretan’ny nofo, tsy miraharaha akory ny adidy sy andraikitra ao an-tokantrano. Mitady zavatra miovaova mandrakariva: tonga tsy manam-paharetana, kizitin-dava ary mitretrena. Mila mahatsapa ireny tanora ireny fa manana adidy hitondra fahasambarana ho an’ny tokantranony izy (...)HAT 297.1

    Mazàna, tena ilaina ny mampijanona ny asa vatana mba hahafahan’ny tena manao tombana hahazoana fahombiazana hatrany. Kanefa ny tena fitsaharan’ny tena sy ny saina dia tsy mahasoa akory.HAT 297.2

    Na dia atao hoe reraky ny asa aza ny tena dia tsy azo atao velively ny mandanilany ny fotoana tsy amin’antony. Tena ilaina ny manao zavatra tsy mandany hery be loatra, kanefa dia tena mahasoa ny fianakaviana. Mitondra fanampiana ho azy ireny ny tanora amin’ny fanamaivanana ny enta-mavesatra eny an-tsorok’izy ireo ary dia mba mahazo fahafinaretana sy fifaliana ihany koa ny tena amin’izany fotoana izany. Tsy ho lanilany foana amin’ny fahafinaretana tsy misy dikany sy feno fitiavan-tena ny fotoana amin’izany — TFC, b.3, tt. 221-223.HAT 297.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents