Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 115 — Fotoam-Pivavahana

    Ho tia mianatra ny tenin’Andriamanitra ireo ankizy rehefa hainy tsara ny ho tia ny fanompoam-pivavahana ao an-tokantrano. Ny ora marain-tsy hariva isan’andro atokana ho an’ny fanompoam- pivavahana ao an-tokantrano no tokony ho ora tsara sy mamy indrindra eo amin’ny fianakaviana. Tokony hieritreritra mandrakariva ny tsirairay ny mba tsy hampisy fanelingelenana na fanembantsembanana mandritra io fotoana masina io; hifamory hanodidina an’i Jesôsy ny ray aman-dreny sy ny zanaka ary koa hanasa ny fanatrehan’ny anjely ho ao an-tokantranony ao anatin’izany fotoana mamy izany. Aoka ny fotoana rehetra ho fohy, miaina, mifanaraka amin’ny toe-javatra fa tsy mankaleo. Aoka mba handray anjara amin’ny famakiana ny Soratra Masina ny tsirairay avy ary hamerimberina ireo lalàn’Andriamanitra. Mety hahaliana tokoa ny ankizy ny fanokanana fotoana ho azy ireo hamakiany sy handinihany ny Baiboly. Mametraha fanontaniana ny amin’izany ary avelao izy hamaly ny fanontaniana. Manaova sary an’ohatra vitsivitsy manazava ny lesona manarany. Raha toa ka tsy dia lava ny fotoam-pivavahana dia mba asio fotoana hanononan’ny ankizy vavaka ary aoka izy handray anjara amin’ny hira na dia andininy iray ihany aza.HAT 297.4

    Mba hampirindra tsara ny fanompoam-pivavahana atao dia tokony hisy fanomanana izany. Aoka ny ray aman-dreny hanokana fotoana isan’andro hiarahany mandinika ny Tenin’Andriamanitra miaraka amin’ny zanany. Tsy misy tokony hampisalasala fa mitaky hery lehibe sy fandaminana ary fanoloran-tena ny fanatanterahana izany; kanefa dia hovaliana soa izany hery nolanina izany — Ed, t.186.HAT 298.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents