Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 116 — Fandraisam-Bahiny Kristianina

    Mety ho sambatra sy ho tena ilain’ny fiarahamonina isika raha toa ny fifandraisan’ny fianakaviantsika ka mitaratra ny hatsaram-panahy sy ny fahatsoran’i Kristy. Raha toa ka mahazatra ny mampidera sy mampitolagaga ny fijerin’ny mpamangy antsika amin’ny alalan’ireo haingon-trano lafo vidy dia tokony hanao ezaka be dia be mihitsy isika hahasambatra ireo manodidina antsika amin’ny fanehoana ny endritsika miramirana sy falifaly, amin’ny fahatsorantsika sy ny fitiavana omentsika azy ireo. Aoka mba hampahafantarintsika ireo manodidina antsika fa tokony hanao izay rehetra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra isika. Raha toa ka saranga ambony no nametrahan’ny Tompo antsika dia aoka mba ho toetra mahay mampifaly sy mahay mankasitraka mandrakariva no asehontsika ireo vahiny miditra ny tranontsika. Ny tena tokantrano kristianina dia tokony hahitana fiadanana sy filaminana mandrakariva. Ny ohatra lehibe toy izany no hanana ny maha-izy azy (...)HAT 298.2

    Aoka tsy hohadinointsika mihitsy fa manana adidy eo anatrehan’Andriamanitra isika eo am-piantohana ny mety sy ny mendrika ary ny fahasambarana ho an’ireo vahinintsika. Tsy tokony hamaivanina velively ny oran’ny fanompoam-pivavahana ao an-tokantrano. Aoka mba tsy ho reraky ny resaka sy ny vanivany mbamin’ny fihomehezana vao hiditra amin’ny oran’ny fotoam-pivavahana. Zary fanatitra handringa no haterina eo anatrehan’Andriamanitra mandritra izay fotoana masina atao izay. Amin’ny fotoana anaovana ny fanompoam-pivavahana ny hariva no aoka hamborahana amin’ny Tompo avokoa ny fangatahantsika rehetra miaraka amin’ny hira fiderana sy fisaorana. Aoka ho hitan’ireo vahiny mamangy ny tokantrano kristianina fa fotoana manokana ary masina ho an’ny mpianakavy ny fotoam-pivavahana. Hampisy hery miasa mangina ho an’ny mpandray anjara ny ora masin’ny mpianakavy, hahatonga fiadanan-tsaina sy torimaso mamy izany - RH, 29 Nôv. 1887.HAT 299.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents