Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 121 — Fahatsorana amin’ny Fomba Fitafy

    « Ary aoka try firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy firava-bolamena na ny fiakanjoana; fa aoka ho toetra miafina ao am-po izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra » -1 Pet. 3:3,4.HAT 308.2

    Mitady izay hanoherana sy handavana izay lazain’ireo didy aman-dalàna tsotra sy mahitsy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fisainan’ny zanak’olombelona. Isaky ny taranaka dia misy maro amin’ireo milaza azy ho mpanara-dia an’i Kristy no tsy mahalala akory ny fifandraisana misy amin’ny fitsipika sy amin’ny fanoloran-tena, ny fanetren-tena, ny fahamendrehana ary ny fahatsorana izay mamolavola mandrakariva ny fiteny sy ny fihetsika ary ny fitafy. Mitovy hatrany ny vokany: ireo izay tsy manaiky ny hanaraka ny fampianarana avy amin’ny filazantsara dia tafaroboka ao amin’ny fitiavana lamaody sy fombafomba ary ny fiainan’izao tontolo izao. Alohan’ny tena fivavahana marina dia tsy maintsy fongotra ny fombafomba fanao rehetra. Nisintaka ary niala teo amin’izao tontolo izao ny fanatrehana sy ny herin’Andriamanitra ka nankeo amin’ny antoko vitsivitsy dia ireo miankohoka Aminy amim-panetren-tena sy ireo izay maniry ny hanao ny sitrapon’ny Teny masin'Andriamanitra. Nifandimby nandritra ny taonjato maro izany toe-javatra izany. Antokom-pivavahana maro no nipoitra sy nifandimbindimby tsirairay: nihasimba sy nihanalemy ny heriny teo aloha rehefa nahafoy ny fahatsorany.HAT 308.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents