Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanavaozana tena Ilaina

    Hitantsika eo ambany maso ny fitotonganan’ny fianam-piangonana izay helohin’ny Tenin’Andriamanitra. Inona no andraikitry ny manam-pahefana ny amin’izany olana izany? Araka ny tokony ho niheverana azy ve ny hery miasa mangina tokony hampitain’ny Fiangonana, kanefa maro amin’ireo mambran’ny Fiangonana no mirona manaraka ny lamaody mihoatra noho izay sitrapon’Andriamanitra? Amin’ny fomba ahoana no hangatahantsika ny fanatrehan’ny Fanahy Masina sy ny fiasany kanefa isika mbola mankafy izany zavatra izany? Dia ho sahintsika ve ny hangina kanefa etsy an-danin’izany toa hamaivanin’ireo izay milaza azy ho mpanara-dia an’i Kristy ny fampianarany? Mampahory sy mampahatahotra ny fon’ireo mpitondra fiangonana izany. Tsy tokony handimka sy hisaina ary hivavaka ny amin’izany toe-javatra izany ve ireo rahavavy ao amin’ny fiangonana? Tsy mba haniry ny hotarihin’ny Tenin’Andriamanitra ve izy ireo? Ireo fotoana lanilany foana amin’ny fanjairana lamaody sy fisehosehoana araka izao tontolo izao dia tokony hatokana handinihana ny fo sy hianarana ny Tenin’Andriamanitra. Ireo fotoana nariana tamin’ny fihaingoana sy ny firavahana dia ho tonga lafo vidy mihoatra noho ny volamena raha toa ka atokana hianarana fitsipi-piainana tsara sy hanovozam-pahalalana tsara. Tena malahelo tokoa aho mahita ireo tanora zazavavy mitompo tena ho Kristianina kanefa manao tsinontsinona ny toetr’i Kristy sy ny sitrapony. Manana fahazarana mamoky tena amin’ny hanin-kisoa ihany izy ireo. Aleony mandany ny fotoany amin’ny fanenjehana takela-barahina mora simba toy izay hikatsaka ny fiainana mandrakizay. Tsy misy fivoarana ny sainy fa matory kanefa dia tokony hianatra sy handalina; vokany: tsy voafehy ny fihetseham-pony satria ny fisehoana ivelany no nimatimatesany mihoatra noho ny fiainam-panahy sy herin’ny saina.HAT 310.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents