Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fialan-Tsasatra sy Lalao

    Tokony hiala sasatra ireo mandany ny androny amin’ny fianarana. Aoka tsy hovesarana asa saina henjana foana ny saina satria ny milin’ny ati-doha dia tena saro-pady ka mety ho reraka vetivety. Mila fanazarana toy ny saina ny vatana ka aoka hatao amin’ny fandanjalanjana ny lalao, toy ny zavatra rehetra. Tandremana mafy ny karazan’ireny fialam-boly ireny. Tokony hanontany tena ny zatovo hanao hoe: inona no ho fiantraikan’izao fialam-boly izao amin’ny fahasalaman’ny vatako sy amin’ny saiko ary fanahiko? Hiavonavona ve ny fanahiko ka hanadino an’Andriamanitra? Moa ve hiato ny fisehoan’ny voninahiny eo anatrehako?HAT 331.1

    Tokony hofadina mihitsy ny filalaovan-karatra. Miteraka fironana lozabe izany (...) Tsy mitondra asa soa eo amin’ny fanahy sy ny vatana izany. Tsy mahatsara ny fahiratan-tsaina velively izany na hampanan-karena ny saina mahiratra. Ny resaka eo am-panaovana izany dia samy mampitotongana avokoa (...)HAT 331.2

    Ny fahazarana amin’ny filalaovan-karatra dia mitarika fitiavan-tena mandrakariva, manomboka amin’ny lalao madinika ary mitohy amin’ny goavana kokoa, ary samy mitarika amin’ny faniasiavana. Impiry impiry moa izany fialam-boly mahavoafady izany no mahatonga ny fahotana rehetra, ny fahantrana rehetra, ny fonja rehetra, ny vonoan’olona maro samy hafa, eny, fahaverezana fara tampony aza! Kanefa mbola marobe ireo ray aman-dreny tsy mahita izany loza mananontanona ny tanora izany.HAT 331.3

    Anisan’ny toerana mampidi-doza indrindra ihany koa ny teatra. Raha tokony ho toerana hampianatra ny fahamarinana sy ny fahitsiana, izay ireharehana fatratra dia indrisy fa tonga toerana mampianatra fahambanian-tsaina izany. Fahazarana amin’ny hadalana sy fahotana no mazana ampitaina amin’ny tanora amin’ireny fialam-boly ireny. Hira malefaka, fihetsika mitera- doza, fiteny sy fahazarana manimba ny eritreritra sy ny fisainana no ampianarina amin’izany. Tsy afaka hifandray amin’ny fampisehoana toy izany ny zatovo ka tsy handairan’izany toetra ratsy izany. Tsy misy hery miasa mangina afaka hanapoizina ny eritreritra sy hanimba ny fitiavam-bavaka ankoatra ny fanekena ny fahafinaretana sy ny fialam-boly amin’ny teatra toy izany.HAT 331.4

    Mampitombo ny faniriana hisotro zava-mahamamo ny fitiavana fampisehoana an-tsehatra. Ny misoroka tsy manatrika ireny teatra sy ny fampisehoana fahagagana sy hakingana (cirque) ary toeram-pialam-boly mamoafady rehetra ireny no tsara indrindra.HAT 332.1

    Misy fialam-boly tsara sy manandratra ho an’ny vatana sy ny saina. Saina mazava, feno fahaiza-manavaka ny tsara sy ny ratsy no hita ao amin’ny fomba fialan-tsasatra maro, izay tsy vitan’ny hoe tsy manimba fa mampianatra koa. Ireo fialam-boly eny ankalamanjana toy ny fandinihana ny asan’Andriamanitra eny anivon’ny natiora dia hampisy voka-tsoa eo amin’ny tena. — TFC, b. 4 tt. 651-653.HAT 332.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents