Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Adihevitra

    Tokony hisy adihevitra hita ao amin’ny fivoriana mandritra ny fakan-drivotra eo amin’ny mpianatr’i Kristy sy ireo olon’izao tontolo izao izay tsy mitady afa-tsy ny fialam-boly tsy misy antony. Raha tokony ho ny mikasika ny vavaka sy ny zava-masina no resaka atao, ny molotr’ireo olon’izao tontolo izao dia tsy ahenoana afa-tsy ny fihomehezana tsy misy fotony sy resaka tsy misy dikany. Zavatra iray ihany no mampiahiahy azy: manome ho an’ny tena ny fotoana tsara indrindra. Ny filalaovan’izy ireo dia manomboka amin’ny fahadalana ka miafara amin’ny firavoravoana. Rehefa miverina ho ao amin’ny fivoriana isika dia tsy tokony hanome tsiny an’Andriamanitra na amin’ny mpiara-monina mihitsy ny fieritreretantsika; tokony hanana fahatokian-tena isika fa tsy nandratra na niteraka hery miasa mangina ratsy tamin’ny olona nifanena tamintska.HAT 336.3

    Anjakan’ny fahafinaretan’ny tena ny fo nofo. Iray amin’ny tetik’i Satana ny hampitombo ny fahafinaretan’ny fo. Tiany ny hanirian’ny olona mafy ny fialam-bolin’izao tontolo izao ka tsy hananany fotoana hisainana hoe: Ahoana ny aminao, ry fananiko? Ny fitiavana ny fahafinaretana anefa dia mifindra koa. Izay manolo-tena ho amin’izany dia mihazakazaka ho amin’ny rendrarendra. Ny fanekena ny lalàn’Andriamanitra no manafoana izany fironana izany ary manangana sakana hanoherana ny fahosana mivavaka. - Consels to Teachers, Parents and Students, tt. 336-337.HAT 337.1

    Tokony hahatsiahy mandrakariva fa hadinina amin’ny tombontsoa nomena azy ny zatovo, toy ny fampiasany ny fotoany sy ireo fahafaha-manaony, na dia hanontany tena aza izy ireo hoe: Holavinay ve izany ny fialamboly rehetra? Voatery hiasa, hiasa, hiasa hatrany ve izahay?HAT 337.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents