Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 136 — Mifandray amin’ny Fiarahamonina mba Hamonjy

    Ny ohatra nomen’i Kristy tamin’ny fiahiany ny tombontsoan’ny zanak’olombelona dia tokony harahin’ireo rehetra mitory ny Teniny sy ireo rehetra nandray ny vaovao mahafalin’ny Fahasoavany. Tsy tokony hialantsika ny fifandraisana eo anivon’ny fiarahamonina. Tsy tokony hihataka amin’ny hafa isika. Mba hahatrarana ireo saranga rehetra dia tsy maintsy mankany amin’izay misy azy isika. Indraindray ihany izy ireo no hitady antsika amin’ny safidiny manokana. Tsy avy eny amin’ny polipitra irery ihany no ahafahan’ny fahamarinan’Andriamanitra mikasika ny fon’ny olona. Misy sahan’asa hafa, mety ho tsotsotra, nefa mampanantena vokatra betsaka koa. Hita izany any amin’ny fonenan’ny olona tsotra, any amin’ny lapan’ny olona ambony, ny latabatra fampiantranoam-bahiny any amin’ireo fivoriana ho fifaliana madion’ny fiarahamonina. - MYP 403.1HAT 349.2

    Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika dia tsy tokony hifanerasera amin’izao tontolo izao noho ny fitiavana fahafinaretana isika, na mba hiaraka hanao hadalana amin’izy ireo koa. Ny fiarahana tahaka izany dia miafara amin’ny loza. Tsy tokony hanome lalana ny fahotana mihitsy isika na amin’ny tenintsika, na ny zavatra ataontsika na ny fahanginantsika na ny fanatrehantsika. Na aiza na aiza alehantsika dia tokony hitondra an’i Jesôsy miaraka amintsika isika, ary tokony hasehontsika amin’ny hafa ny hasarobidin’ny Mpamonjintsika. Fa ireo izay miezaka ny hihazona ny fivavahany amin’ny fanafenany izany ao anaty rindrim-bato dia manary ny tombontsoa fanararaotra hanaovan-tsoa. Amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny fiarahamonina no ahafahan’ny fivavahana kristianina hifampikasoka amin’izao tontolo izao. Izay rehetra nandray ny fahazavan’Andriamanitra dia tokony hanazava ny lalan’ireo izay mbola tsy mahafantatra ilay Fahazavan’ny fiainana. - MYP 403.2.HAT 350.1

    Tokony ho vavolombelon’i Kristy avokoa isika rehetra. Ny hery miasa eo amin’ny fiarahamonina, nohamasinina tamin’ny fahasoavan’i Kristy, dia tsy maintsy hatsaraina mba hahazoana fanahy ho an’ny Mpamonjy. Aoka ho hitan’izao tontolo izao fa tsy mihirim-belona sy mitady ny tombontsoantsika fotsiny isika fa maniry ny hizara ny fitahiana sy tombontsoa azontsika amin’ny hafa. Aoka ho hitany fa ny fivavahantsika dia tsy mahatonga antsika ho lasa miavonavona sy ratsy fanahy. Aoka ireo rehetra milaza fa nandray an’i Kristy hiasa hanasoa ny olombelona tahaka ny nataony. - MYP 403.3.HAT 350.2

    Tsy tokony ho tsapan’izao tontolo izao mihitsy fa ny Kristianina dia olona manjombona sy miferinaina lava. Raha mifantoka eo amin’i Jesôsy ny masontsika dia hahita Mpanavotra feno fiantrana iray isika ary hahazo ny fahazavana avy amin’ny Tavany. Na aiza na aiza hanjakan’ny fanahiny, dia mitoetra ao ny fiadanana. Hisy koa ny fifaliana satria misy fahatokiana tony sy masina an’Andriamanitra. - MYP 404.1.HAT 350.3

    Mahafaly an’i Kristy ny Mpanaraka azy rehefa asehon’izy ireo fa na dia olombelona aza izy, dia mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra. Tsy sarivongana izy ireo fa lehilahy sy vehivavy velona. Ny fony, izay mahazo aina vaovao amin’ny andon’ny fahasoavan’Andriamanitra, dia misokatra sy mivelatra handray ny Masoandron’ny Fahamarinana. Ny fahazavana izay mamirapiratra aminy dia alefany amin’ny hafa amin’ny alalan’ny asa izay ataony izay mitaratra ny fitiavan’i Kristy. - Ilay Fitiavana Mandresy, tt. 147,148. {MYP 404.2} .HAT 351.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents