Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 138 — Fitsipi-Piainana Mitari-Dalana

    I Jesôsy no tompon’ny fo. Naloany ny vidy tsy misy fetran’ny fanahy; ary mifona eo anoloan’ny Ray amin’ny maha-Mpanelanelana antsika Azy Izy, mitalaho, tsy toy ny mpangataka miangavy fa tahaka ny mpandresy mitaky ny anjarany. Afaka mamonjy hatrany amin’ny fara tampony izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho antsika. Ny fo mbola tanora no fanatitra sarobidy indrindra, fanomezana manan-danja indrindra izay azo atolotra an'Andriamanitra. Ny maha-ianao anao rehetra, ny fahaizana anananao rehetra, dia avy amin’Andriamanitra, fahatokiana masina napetraka taminao ary tokony haverina aminy indray ho fanatitra masina an-tsitrapo. Tsy afaka manome an’Andriamanitra izay tsy mbola nomeny anao ianao. Noho izany, rehefa omena an’Andriamanitra ny fo, dia omena Azy tahaka ny fanomezana izay novidiny ary fananany. - MYP 407.1.HAT 353.3

    Maro ireo mpibodo ny fotoana sy ny fitiavana ary ny herin’ny tanora. I Satana dia mitaky ny tanora ho fananany, ary maro ireo manolotra azy ny fahaizany rehetra, ny talentany rehetra izay ananany. Izao tontolo izao dia mitaky ny fony; kanefa ny fo dia an’Ilay namonjy azy. Raha omena izao tontolo izao ny fo dia ho feno fanahiana, fangirifiriana ary fahadisoam-panantenana; ho lasa maloto sy tsizarizary. Raha omenao izao tontolo izao ny fitiavana sy ny fahatokian’ny fonao dia izany no fandrobana ratsy indrindra satria an’Andriamanitra ny fo. Tsy misy tombontsoa ho azonao amin’ny fanomezana ny fonao amin’ny fitadiavana fahafinaretana. - MYP 407.2.HAT 354.1

    Ny fahavalon’ny fahamarinana dia manana karazana fahafinaretana maro isan-karazany amin’ny fotoana rehetra efa voaomana ho an’ny tanora; ary tsy any amin’ny tanàn-dehibe feno olona ihany no misy azy ireo fa amin’ny toerana rehetra misy olona. Tian’i Satana ny hihazona ny tanora ao an-daharany ho miaramilany. Ny devoly dia mahafantatra tsara ny zavatra kirakirainy; ary ampiasainy ny fahaizany sy ny fahendreny hanomanana zavatra sy fahafafinaretana ho an’ny tanora izay hanasaraka ny fitiavan’izy ireo amin’i Jesôsy Kristy (...) - MYP 407.3.HAT 354.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents