Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fanasam-Pahasoavana Omen’Andriamanitra

    Ho an’ny tanora tsirairay avy ny fanasana omen’Andriamanitra: “Anaka, atolory Ahy ny fonao; hotehiriziko madio izany; homeko fahafaham-po ny faniriany hanana ny tena fahasambarana.” Tian’Andriamanitra ny hahasambatra ny tanora; izany no mahatonga Azy hangataka azy ireo hanome ny fony hotehiriziny, mba hatanjaka sy ho tomady ireo fahaizana sy fahalalana nomen’Andriamanitra rehetra. Mihazona ny fiainana fanomezan'Andriamanitra izy ireo. Izy no mampitepo ny fo; Izy no mampahatanjaka ny fahaizana rehetra. Ny fifaliana madio dia tsy hanambany na iray aza ny fanomezan’Andriamanitra. Manota amin’ny tenantsika ary manota amin'Andriamanitra isika rehefa mikatsaka fahafinaretana izay manasaraka ny fitiavantsika amin’Andriamanitra. Tokony hoheverin’ny tanora fa napetraka teto amin’ity izao tontolo izao ity izy mba hisedrana azy, hahitana raha manana ny toetra hahafahany hiara-monina amin’ireo anjely izy ireo. - MYP 408.2.HAT 355.1

    Rehefa mampirisika anao handeha amin’ny lalan’ny hadalana sy ny haratsiana ny mpiara-miasa aminao, ary ny manodidina anao maka fanahy anao hanadino an’Andriamanitra, hamotika ireo fahafaha-manao rehetra nankinin’Andriamanitra aminao sy hanimba izay rehetra mendri-kaja ao amin’ny toetranao, dia tohero izy ireo. Tsarovy fa fananan’Andriamanitra ianao, olom-boavidy, novidina tamin’ny fijaliana sy ny fahorian’ny Zanak’Andriamanitra (...) - MYP 409.1.HAT 355.2

    Mitaky ny fanompoanao ny Tompo Jesôsy. Tia anao izy. Raha misalasala ny amin’ny Fitiavany ianao, jereo i Kalvary. Ny tara-pahazavana avy amin’ny hazo fijaliana dia maneho ny halehiben’izany fitiavana izany izay tsy misy lela mahalaza. “ Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko. ” Tokony hifankazatra tsara amin’ny didin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fianarana amim-pahazotoana isika; ary avy eo dia maneho fa isika dia zanakalahiny sy zanakavaviny mpankatò. - MYP 409.2.HAT 356.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents