Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 140 — Hery Miasa Mangina

    Ny fiainan’i Kristy dia hery miasa mangina nivelatra mandrakariva, tsy nisy fetra; hery miasa mangina izay namatotra azy tamin’Andriamanitra ary koa tamin’ny fianakaviamben’ny zanak’olombelona iray manontolo. Nametraka hery miasa mangina tao amin’ny olombelona Andriamanitra, amin’ny alalan’i Kristy, izay mahatonga azy ho tsy afaka ny hiaina irery. Ny tsirairay avy amintsika dia mifandray amin’olona hafa, anisan’ny tontolo lehiben’Andriamanitra, ary samy manana ny adidy hifanohanana amin’ny namany avy isika. Tsy misy olona afaka ny hahaleo tena tsy miankina amin’ny hafa; satria ny hatsaram-piainan’ny olona iray dia misy fiantraikany amin’ny hafa. Fikasan’Andriamanitra ny hahatonga ny tsirairay hahatsapa fa ilaina amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny hafa izy ka hitady izay hahasambatra ny hafa. - MYP 417.1 .HAT 363.2

    Ny fanahy tsirairay avy dia voahodidin’ny rivo-piainany manokana, rivo-piainana izay, mety ho feno ny hery mamelombelon’ny finoana, feno herim-po, feno fanantenana ary koa feno ny fofo-manitry ny fitiavana. Nefa koa, mety havesatra sy hangatsiaky ny haizin’ny tsy fifaliana sy ny fitiavan-tena, na feno ny poizina mahafatin’ny fahotana ankafizina. Voakasik’io rivo-piainana manodidina antsika io avokoa ny olona rehetra izay mifandray amintsika, na tsapany izany na tsia. - MYP 417.2.HAT 364.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents