Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 141 — Ny Fisafidianana Namana

    Tokony hifidy ny fiarahana amin’ny olona izay tsara indrindra ho an’ny fivoarantsika ara-panahy isika, ary hanararaotra ny fanampiana rehetra mety ho eo am-pelatanantsika. I Satana mantsy dia hametraka sakana maro mba hanasarotana araka izay farany tratry ny heriny ny fandrosoantsika mankany amin’ny lanitra. Mety ho tonga eo amin’ny toerana misy fisedrana isika satria maro ireo izay tsy afaka manana ny rivo-piainana tiany hananana; kanefa dia tsy tokony hametraka ny tenantsika an-tsitrapo eny amin’ny toerana izay manimba ny fivoaran’ny toetra kristianina isika. Raha toa ka tsy maintsy mandeha eny amin’ireny toerana ireny isika noho ny andraikitra ananantsika, dia tokony hitandrina sy hivavaka avo roa heny mba tsy ho lavo isika amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy. - MYP 419.1.HAT 365.3

    Nisafidy an’i Sôdôma i Lôta satria nifantoka kokoa tamin’ireo tombontsoa tsy maharitra izay ho azony fa tsy dia nihevitra loatra ny momba ireo hery miasa mangina ara-pitondran-tena izay hanodidina azy sy ny fianakaviany. Raha jerena anefa dia inona no azony raha ny haren’izao tontolo izao no resahina? Potika ny fananany, maty tao anatin’ny fandevonana ilay tanàna feno haratsiana ny sasany tamin’ny zanany, nivadika ho vongan-tsira ny vadiny, ary ny tenany aza dia zara raha avotra. Ary tsy nifarana teo ny voka-dratsin’ny safidiny feno fitiavan-tena. Tena naka toerana tao amin’ny toetran-janany ny fahavetavetana ara-pitondrantenan’ilay tanàna hany ka dia tsy afaka nanavaka ny tsara sy ny ratsy, ny ota sy ny fahamarinana intsony izy ireo. - ST, 29 May 1884. -{MYP 419.2).HAT 366.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents