Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Antony Mahatonga ny Fenitra ho Ambany

    Nahoana ny tanorantsika, na dia ireo izay efa eo amin’ny taonan’ny fahamatorana aza, no voatarika mora foana ho any amin’ny fakam-panahy sy ny fahotana? Ny anton’izany dia satria tsy ianarana sy dinihina araka ny tokony ho izy ny tenin’Andriamanitra. Raha toa ka nankasitrahana izany, dia hisy fahitsiana ao anaty, hahazo hery ny fanahy, izay ahafahana manohitra ny fakam-panahin’i Satana hanao ratsy. Tsy misy herin-tsaina mafy sy tapa-kevitra eo amin’ny fiainana sy ny toetra satria tsy atao anton-draharaha ny mandinika sy mianatra ny torolalana masina avy amin’Andriamanitra. Tsy misy ny fiezahana araka ny tokony ho izy, mba hampidirana eritreritra madio sy masina ao an-tsaina, mba hialany amin’izay tsy madio sy tsy marina. Tsy misy ny fisafidianana ilay anjara tsara, dia ny mipetraka eo an-tongotr’i Jesôsy tahaka ny nataon’i Maria, mba hianarana ireo lesona masin’ilay Mpampianatra avy any an-danitra, ka ho voaraikitra ao am-po ireo lesona ireo ary ampiharina amin’ny fiainana andavanandro. Ny fandinihana ny zava-masina no hanandratra sy hanadio ny saina, ary hampivoatra ireo vehivavy sy lehilahy kristianina. - MYP 425.3.HAT 371.4

    Andriamanitra dia tsy hanaiky ny iray amintsika izay manakely ireo heriny amin’ny filan-dratsy sy ny fahambanian’ny tany amin’ny alalan’ny eritreritra na teny na fihetsika. Toerana madio sy masina ny lanitra, ary tsy misy na iza na iza afaka hiditra raha toa ka tsy nesorina ny loto rehetra teo aminy, mahita fifaliana amin’ny zava-panahy, voasasa ary voadio tanteraka izy. Misy asa tokony hataontsika amin’ny tenantsika, ary amin’ny alalan’ny fanovozana hery ao amin’i Jesôsy ihany no ahafahana manao izany. Tokony hianatra ny Baiboly mihoatra noho ny boky rehetra isika; tokony ho tiantsika izy, ary hankatoavintsika satria feon’Andriamanitra. Tokony hahafantatra sy hahatakatra tsara ny zavatra an-drariny sy ny zavatra takiny isika, “izao no tokony hatao” sy “aza manao izao”, ary tokony ho tsapantsika ny tena dikan’ny tenin’Andriamanitra. - MYP 426.1.HAT 372.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents