Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ilaina ny Saina Mifantoka amin’ny Lanitra

    Rehefa ataontsika ho mpanoro hevitra antsika ny tenin’Andriamanitra, ary mikatsaka fahazavana ao anatin’ny Soratra Masina isika, dia tonga ny anjelin’ny lanitra hanokatra ny saina sy hanazava ny fahatakarana, ka voamarina ilay filazana hoe: “Mahazava ny famoahana ny hevitry ny Teninao ka manome fahalalana ho an’ny kely saina.”HAT 373.1

    Tsy mahagaga raha toa ka tsy misy intsony ny saina mifantoka amin’ny lanitra eo amin’ireo tanora izay milaza ny tenany hoe Kristianina, satria kely ny fifantohana amin’ny tenin'Andriamanitra. Tsy arahina ny torohevitra avy any an-danitra; tsy ankatoavina ny fananarana; tsy katsahina ny fahasoavana sy ny fahendrena avy any an-danitra izay ahafahana miala amin’ny ratsy fanao taloha sy hanadiovana ny fahalotoana rehetra misy eo amin’ny toetra. Izao no vavaka nataon’i Davida, “Ampahalalao ahy ny làlan’ny didinao; dia hoheveriko ny fahagagana nataonao.” - MYP 426.2.HAT 373.2

    Rehefa voatarika amin’ny lalana tsara ny sain’ny tanora, sy ny an’ireo zokinjokiny koa, rehefa tafaraka, dia lohahevitra tsara sy manandratra no ho anton-dresak’izy ireo. Rehefa madio ny saina ary voasandratry ny fahamarinan’Andriamanitra ny eritreritra, ho tahaka izany koa ny toetry ny teny, “tahaka ny poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra. ” Kanefa miaraka amin’ny fahazoan-javatra ankehitriny, miaraka amin’ny fomba amam-panao ankehitriny, miaraka amin’ny fenitra ambany izay iononan’ny Kristianina ankehitriny, lasa maivana sy tsy mitondra zav-tsoa ny resaka atao. Izany dia “zavatry ny tany, avy amin’izao tontolo izao”, ary tsy mitondra ny tsiron’ny fahamarinana, na ny tsiron’ny lanitra, ary tsy mahatratra akory aza ny fenitra ananan’ireo olon’izao tontolo izao tsara taiza. - MYP 427.1.HAT 373.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents