Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tokony Haka Torohevitra avy any amin’ny Ray Aman-Dreny

    Rahoviana vao ho hendry ny tanorantsika? Mandra-pahoviana no mbola hitohizan’ity asa ity? Moa ve tokony hijery ny sitrapo sy ny fironan’ny tenany irery ihany ny zanaka, ka tsy hiraharaha ny torohevitra sy ny eritreritr’ireo ray aman-dreniny? Ny sasany dia toa tsy mihevitra akory izay mety ho fanirian’ny ray aman-dreniny, na koa tsy miraharaha ny fomba fijerin’ireo olona matotra. Nanidy ny varavaran’ny fon’izy ireo tamin’ny fifankatiavan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ny fitiavan-tena. Tokony hotairina amin’izany resaka izany ny fisainan’ny tanora. Ny didy fahadimy no didy tokana misy teny fampanantenana; kanefa dia atao ambanin-javatra izany, tsy raharahain’ny mpifankatia mihitsy aza. Manambany ny fitiavan’ny reny, manala baraka ny fikarakaran’ny ray, ireo no fahotana izay voarakitra hiampanga ny tanora maro. - MYP 448.2.HAT 393.3

    Iray amin’ireo fahadisoana lehibe indrindra mifandray amin’ity lohahevitra ity ny hoe: tsy tokony hokorontanina ny fitiavan’ny tanora sy ny tsy ampy fanandramana eo amin’ny fiainana, tokony tsy hisy hanakantsakana ny fanandramam-pitiavan’izy ireo. Raha toa ka nisy lohahevitra ilàna ny fijery amin’ny lafiny maro dia ity lohahevitra ity izany. Ny fanampian’ny fanandraman’ny hafa, ary ny fandanjalanjana tony tsara sy amim-pitandremana dia tena ilaina tokoa. Lohahevitra izay hamaivanin’ny ankamaroan’ny olona loatra izy ity. - MYP 449.1.HAT 394.1

    Makà torohevitra avy amin’Andriamanitra sy avy amin’ny ray aman-dreninareo matahotra an’Andriamanitra, ry tanora namana. Mivavaha ho an’io resaka io. Lanjalanjao tsara ny fihetseham-po rehetra, ary diniho tsara ny fivoaran’ny toetr’ilay olona izay eritreretinao hanakambanana ny hoavin’ny fiainanao. Ny dingana izay horaisinao dia anisan’ireo izay tena manan-danja indrindra eo amin’ny fiainanao, ary tsy tokony hatao maimaika izany. Afaka mitia ianao, fa aza jamba rehefa mitia. - MYP 449.2.HAT 394.2

    Diniho tsara raha toa ka mety ho feno fahasambarana ny fiainam-panambadianao, na mety ho tsy milamina ary potika mihitsy aza. Mametraha fanontaniana: Hanampy ahy ho any an-danitra ve ity firaisana ity? Hampitombo ny fitiavako an’Andriamanitra ve izy ity? Moa ve hampivelatra ny faritra ilàna ahy eo amin’ny fiainana izy ity? Raha toa ka tsy mampihemotra ireo fanontaniana ireo dia mandrosoa amim-pahatahorana an’Andriamanitra. - MYP 449.3.HAT 394.3

    Na dia nifamofo aza ianareo kanefa tsy mbola fantatrao tsara ny toetr’ilay tianao hovadina, aza mihevitra fa ny fifamofoana dia tsy maintsy hitarika anao hanao voadim-panambadiana, izay hampikambana anao mandra-pahafaty amin’ilay olona iray izay tsy azonao tiavina sy hajaina. Mitandrema tsara alohan’ny hanaovana fifamofoana, kanefa tsara kokoa, eny tsara lavitra, ny misaraka mandritra ny fifamofoana toy izay misaraka ao aorian’ny fanambadiana tahaka ny ataon’ny maro. - MYP 449.4.HAT 395.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents