Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Maha-Zava-Doza ny Fifamatorana Aloha Loatra

    Ny fifamatorana niforona tamin’ny fahazazana matetika dia miafara amin’ny fikambanana feno fahoriana, na koa fisarahana manala baraka. Ny fifandraisana aloha loatra, raha noforonina tsy niaraka tamin’ny fankasitrahan’ny ray aman-dreny, dia mahalana no mahita fahasambarana. Ny fitiavana tanora dia tokony hosakanana mandra-pahatonga amin’ny taona izay ny fahamatorana sy ny fanandramana no hahatonga izany ho mendrika sy azo antoka. Ireo izay tsy mety hofehezina dia hotandindomin-doza hitondra fiainam-pahoriana. Ny tanora izay mbola tsy nahatratra ny faharoapolon-taonany akory dia tsy afaka mandanjalanja tsara ny hisafidy tanora tahaka azy hiaraka aminy. Rehefa mihamatotra ny fijeriny dia hitany fa voafatotra mandra-pahafaty ny tenany ary mety tsy ho afaka ny hikajy ny fahasambaran’ny tsirairay avy. Avy eo, raha tokony ho nanao ny tsara indrindra azony natao izy ireo, dia fifanilihana no miseho, mitatra ny hantsana mampisaraka, mandra-pahatongan’ny tsy firaharahana sy fanaovana tsirambina ny tsirairay hahazo laka. Aminy dia tsy misy na inona na inona maha-masina ny teny hoe tokantrano. Ny rivotra iainana dia voapoizin’ny teny tsy misy fitiavana sy latsa mangidy. - SA, tt. 11, 12 {MYP 452.2}.HAT 397.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents