Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fitiavana tsy Masina

    Toa misy hery miasa mangina manodoka eo amin’ny sain’ny tanora maro ny resaka momba ny fanambadiana. Mihaona ny olona anankiroa, mifanatona izy ireo ary mifantoka ao avokoa ny fahalianany rehetra. Jamba ny fisainany, tsy misy toerana ho an’ny fandanjalanjana intsony. Tsy manaiky torohevitra na fifehezana na avy amin’iza na avy amin’iza izy ireo. Manao izay tiany hatao izy ireo ary tsy mihevitra ny vokatr’izany. - MYP 456.2.HAT 401.2

    Toy ny areti-mifindra na valan’aretina, izay tsy maintsy manaraka ny lalany, ny fifanintonana izay mahazo azy ireo; ary toa tsy misy zavatra izay afaka hanakana izany. Mety hisy amin’ireo manodidina mahatsapa fa raha toa ka liana ny hikambana ao amin’ny fanambadiana ny ankilany sy ny andaniny dia ho fahoriana fotsiny mandritra ny androm-piainany no vokatr’izany. Kanefa misy dikany ireo torohevitra sy fananarana nomena. Amin’izany fikambanana izany, mety ho rava sy potika ilay olona izay tokony hotahin’Andriamanitra hahasoa amin’ny asa fanompoana azy; kanefa ny fananarana sy ny fandresen-dahatra dia tsy noraharahaina. - MYP 456.3.HAT 401.3

    Izay rehetra azon’ny lehilahy sy vehivavy manana traikefa lazaina dia tsy misy vokany; tsy misy hery hanova ny fanapahan-kevitra izay noraisin’izy ireo teo ambany fitarihan’ny faniriany. Tsy liana amin’ny fivoriam-bavaka intsony izy ireo, sy izay rehetra mikasika ny fivavahana. Azon’ody amin’ny fifankatiavana izy ireo ary atao tsinontsinona ireo adidy eo amin’ny fiainana, toy ny tsy misy vidiny izany. Isak’alina, ireo tanora ireo dia mandany solika mba hiresahana, amin’ny lohahevitra matotra sy manan-danja ve? — Tsia. Resadresa-poana sy tsy manan-danja. - MYP 457.1.HAT 402.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents