Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 17 — Fiovam-Po Marina

    «Dia hofafazako rano madio hianareo, ka hadio; mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no handiovako anareo. Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo hianareo.”HAT 53.4

    Maro amin’ireo izay milaza amin’ny hafa mba hananany fo vaovao no tsy mahalala akory ny hevitr’izany teny izany. Ny tanora, indrindra indrindra, no tafintohina eo anoloan’ity teny ity: «fo vaovao». Tsy fantany ny dikan’izany. Miandry fiovana manokana ao amin’ny fihetseham-pony izy. Antsoiny ho fiovam-po izany. An’arivony no tafintohina tamin’izany teny izany ka potika, tsy mahatakatra ny hevitr'ity filazana ity: «Tsy maintsy ateraka indray hianareo».HAT 53.5

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents