Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fampiharana ny Fivavahana Marina

    Maro no diso hevitra manambara fa ny asa ambony dia hanonitra ny fanompoana marina. Fa ny fivavahana tsy misy fampiharana dia tsy marina. Ny fiovam-po marina dia mahatonga antsika ho mahatoky amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa; mahatonga antsika ho mahatoky amin’ny asa ataontsika isan’andro. Ny mpanara-dia an’i Kristy marina dia maneho fa ny fivavahan’ny Baiboly dia manafaka azy hampiasa ny talentany ho an’ny asan’ny Tompo.HAT 55.1

    «Tsy kamo amin’ny asa». Tokony ho marina eo amin’ny fiainan’ny Kristianina tsirairay ireo teny ireo. Na dia toa asa an-terivozona aza no ataonao dia tokony hanaja izany amin’ny fomba latrehanao azy ianao; ataovy toy ny ho an’ny Tompo, ataovy amim-pifaliana, amim-pahamendrehana, fomba azo avy any an-danitra. Ireo foto-kevitra ambony hoentina anaovana ny asa no maha-mendrika azy eo imason’ny Tompo. Ny fanompoana marina dia mampifandray ny faran’izay ambany amin’ny mpanompon’Andriamanitra etỳ an-tany amin’ny faran’izay ambony any an-danitra (...)HAT 55.2

    Amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra azy, dia tokony hiezaka hanatratra ny idealy napetraky ny Filazantsara eo anoloany ny Kristianina. Tsy tokony hianina amin’izay latsaka noho ny fahatanterahana izy, fa hoy Kristy, «Koa amin’izany, aoka ho tanteraka hianareo, toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra”.HAT 55.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents