Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mampilefitra ny Firehetam-Po sy ny Fitiavana

    Lasa mafy hatoka, feno avona sy sahisahy ianao. Tsy mahita toerana ao am-ponao ny fahasoavan’Andriamanitra. Ny herin’Andriamanitra ihany no afaka hahatonga anao ho mpandray ny fahasoavany, fiadian’ny fahamarinany. Tsy ny eritreritra ihany fa ny firehetam-po sy ny fitiavanao dia takin’Andriamanitra ihany koa hofehezina. Miankina amin’ny fitondranao ny tenanao ny amin’izany ny famonjena anao. Fitaovana mahery vaika ny firehetam-po sy ny fitiavana. Raha diso ny fampiasana azy, raha entanin’ny hery manosika ratsy, raha diso fiantefa, dia manan-kery hanimba anao ireo, handrendrika anao, tsy manana an'Andriamanitra, sy very fanantenana.HAT 58.3

    Tokony hofehezina ho amin’ny tsara mandrakariva ny eritreritra, raha arovan’ny fisainana sy ny feon’ny fieritreretana ary ny toetra ny firehetam-po sy ny fitiavana. Tandidomin-doza ianao, mikasa hamoy ny hoavinao mandrakizay eo amin’ny alitaran’ny firehetam-po. Mifehy ny maha-ianao anao manontolo ny firehetam-po — firehetam-po manao ahoana anefa? firehetam-po ambany, manimba. Mampangidy ny fiainan’ireo ray aman-dreninao ny fanekenao izany, mitondra alahelo sy henatra ho an’ireo rahavavinao, manimba ny toetranao manokana ary mahavery ny lanitra sy ny fiainana tsy mety maty ho anao. Vonona ho amin’izany ve ianao? Miantso anao aho hijanona. Aza manao dingana iray intsony manaraka ny lalanao feno hamafisan-doha sy faharatsiana; fa eo anoloanao ny fahantrana sy ny fahafatesana (...) Raha tsy miezaka mifehy ny firehetam-po sy ny fidavanao ianao, dia hitarika fahafaham-baraka ho anao eo imason’ireo manodidina anao, ary henatra ho an’ny toetranao raha mbola velona koa ianao.HAT 59.1

    Tsy manaja ny ray aman-dreninao ianao, mafy loha, tsy mahay misaotra, ary tsy masina. Vokatry ny hazo ratsy ireo toetra mampalahelo ireo. Miandranandran-toetra ianao. Mankafy tovolahy ianao, ary tianao ny miresaka ny amin’izy ireo. «Fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.” Lasa natanjaka nifehy anao ny fahazarana; ary nianatra ny hamitaka ianao hanatanterahanao ny fikasanao sy ny fanirianao. — TFC, b. 2, tt. 560-562.HAT 59.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents