Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 19 — Herin’ny Toetra Manoloana ny Ady

    Tao amin’ny tanàna kely maizina tany Nazareta no nandalovan’i Kristy ireo telopolo taona voalohany niainany. Nalaza ny faharatsian-toetry ny mponina tao, nahatonga ny fanontanian’i Natanaela: «Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta?” Tsy niresaka firy mikasika ny fahatanoran’i Kristy ny mpanoratra ny filazantsara. Ankoatra ny fitantarana fohy ny fiarahany tamin’ny ray aman-dreniny tany Jerosalema, dia izao filazana tsotra izao no ananantsika: «Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan'Andriamanitra no tao aminy».HAT 60.1

    Kristy no ohatra ho antsika amin’ny zavatra rehetra. Tao amin’ny drafitr’Andriamanitra, dia tao Nazareta no niainany ny fahatanorany, niaraka tamin’ny toetr’ireo mponina izay fakam-panahy mandrakariva ho Azy, ary dia nilainy ny narovana mba hitandrovany ny fahadiovana sy ny tsy fananan-tsiny tao anivon’ny fahotana sy ny faharatsiana. Tsy i Kristy no nifidy io toerana io. Ny Rainy no nifidy izany ho Azy, hizahana sy hitsarana ny toetrany tamin’ny fomba rehetra. Nisedrany fitsapana henjana sy fahoriana ary ady ny fahatanoran’i Kristy, nahafahany namolavola toetra tanteraka hahatonga Azy ho ohatra feno ho an’ny ankizy sy ny tanora ary ny lehibe.HAT 60.2

    Matetika, eo amin’ny toerana izay tsy mampirisika ny fiainana kristianina no ipetrahan’ny ankizy sy ny tanora, ary vonona ny hanaiky ny fakam-panahy izy ireo, manala tsiny ny fahotany amin’ny tontolo manodidina tsy tsara. Nifidy fitokana-monina i Kristy, ary tamin’ny fiainana miasa, nampiasa mandrakariva ny tanany, dia tsy nihantsy ny fakam-panahy Izy, fa nandositra ny fiarahana tamin’ireo izay nanana hery miasa mangina manimba. Nametrahan’i Kristy ny tongony ny lalana mikitoantoana rehetra mety handalovan’ny ankizy sy ny tanora. Tsy namandrika fiainana feno harena sy fitsilamodamohana ho Azy Izy. Nahantra ireo ray aman dreniny, ary niantehitra tamin’ny asa mafy isan’andro hivelomana; noho izany dia fiainan’ny mahantra ny an’i Kristy, nisy fandavan-tena, tsy fisiana. Niaraka tamin’ny ray aman-dreniny tamin’ny fiainana feno finiavana hiasa Izy.HAT 60.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents