Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 28 — Ahoana no Hampahatanjaka?

    Nomen’i Kristy izay mety ilaintsika mba hampahatanjaka. Nomeny antsika ny Fanahy Masina Izay nomena andraikitra hampahatsiaro antsika ireo teny fikasana nataon’i Kristy, mba hananantsika fiadanana sy fahatsapana mamy fa voavela heloka. Raha mba mampifantoka ny masontsika eo amin’ny Mpamonjy isika, ary matoky ny heriny, dia hahatsapa fiarovana feno; fa tonga fahamarinantsika ny fahamarinan’i Kristy (...)HAT 84.1

    Manala baraka Azy isika raha miresaka ny amin’ny tsy fahatanterahantsika. Aleo isika mijery an’i Jesôsy toy izay mijery ny tenantsika, mihamanahaka Azy isan’andro, mihamahay miresaka ny momba Azy, voaomana tsara kokoa handray tombontsoa avy amin’ny fahatsarany sy ny fanampiany, ary handray ny fitahiana atolony antsika.HAT 84.2

    Rehefa miaina mifandray Aminy toy izany isika, dia mitombo hery ao amin’ny heriny, lasa famonjena sy fitahiana ho an’ireo manodidina antsika. Raha manao fotsiny izay andrasan’ny Tompo amintsika isika, dia ho toy ny «valiha masina”, ka ny tady rehetra dia hankalaza sy haneho fankasitrahana ny Mpanavotra nirahin’Andriamanitra hanala ny fahotan’izao tontolo izao (...)HAT 84.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents