Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fibanjinana an’i Kristy

    Jereo amin’ny finoana ireo satro-boninahitra miandry ireo izay handresy; henoy ny feo miravon’ireo navotana, Miendrika, miendrika ny Zanak’ondry izay novonoina ary nanavotra antsika ho an’Andriamanitra! Miezaha mijery izany sary izany ho toy ny marina. I Stefana, ilay maritiora kristianina voalohany, tamin’ny adiny mahatsiravina tamin’ireo fanapahana sy amin’ny fanjakana ary amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra, dia niteny mafy hoe: «Indro, bitako try lanitra misokatra ary ny Zanak ‘olona mitsangana eo an-kavanan ‘Andriamanitra». Naseho azy ny Mpamonjy izao tontolo izao, mijery azy amim-pahalianana lalina avy any an-danitra; ary dia namiratra aoka izany tamin’i Stefana ny fahazavana feno voninahitry ny tavan’i Kristy ka na dia ny fahavalony aza dia nahita ny endriny namiratra tahaka ny an’ny anjely.HAT 89.3

    Raha avelantsika handinika an’i Kristy sy ny tontolon’ny lanitra ny saintsika, dia hahita hery manosika sy vonjy amin’ny ady ho an’ny Tompo isika. Tsy hanan-kery amintsika ny rehaka sy ny firiavana izao tontolo izao rehefa hibanjina ny voninahitry ny tany tsara kokoa izay ho fonenantsika tsy ho ela. Eo anatrehan’ny fahatsaran’i Kristy, dia tsy hisy vidiny ny fisintonan’ny tany.HAT 90.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents