Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 38 — Hampamoahina ny amin’ireo Fahazavana

    Ry tanora lahy sy vavy, ampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra ianareo ny amin’ny fahazavana nomeny anareo. Io fahazavana io sy ireo fampitandremana, raha tsy notandremanao dia hitsangana hanohitra anao eo amin’ny fitsarana. Efa naseho mazava tsara ireo loza mitatao aminao, efa nanarina sy nambenana tamin’ny lafiny rehetra ianao, nofefena tamin’ireo fampitandremana. Tao an-tranon’Andriamanitra no efa nandrenesanao ny fahamarinana miezinezina, sy mahakasika ny fo nasehon’ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny fanehoan’ny Fanahy. Inona no lanjan’ireny antso miezinezina ireny teo amin’ny fonao? Inona no hery miasa mangina nananan’izy ireny teo amin’ny toetranao? Horaisina ho tompon’andraikitra ianao amin’ireo fiangaviana sy fampitandremana rehetra ireo. Hitsangana eo amin’ny fitsarana ireo hanameloka izay manohy manao fiainana foana tsy misy vokany sy tsy matotra ary feno fireharehana.HAT 121.2

    Ry tanora namana malala, izay afafinao no hojinjanao ihany koa. Ankehitriny no fotoana famafazana ho anao. Inona no ho vokatra? Inona no afafinao? Ireo teny rehetra izay tononinao, ireo asa rehetra izay ataonao no voa hitondra vokatra na tsara na ratsy, ary ny ho vokany dia ho fifaliana na alahelo ho an’ny mpamafy. Tahaka ny voa afafy dia ho tahaka izany koa ny vokatra. Nomen’Andriamanitra fahazavana lehibe ianao sy tombontsoa maro. Aorian’ny nanomezana io fahazavana io, aorian’ny nanehoana teo anoloanao mazava tsara ireo loza mitatao aminao dia manjary tompon’andraikitra ianao. Ny fomba izay nikarakaranao ny fahazavana izay nomen’Andriamanitra anao no hivadika ho mizana handanjana ny fahasambarana na ny ozona. Ianao no namolavola ho an’ny tenanao ny hoavinao mandrakizay. - TFC, b. 3, t. 363.HAT 122.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents