Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Hery amin’ny Fampileferana ny Sitrapo

    Tandindomin-doza mandrakariva ianao mandra-pahatakatrao ny tena herin’ny sitrapo. Mety hino sy hanantena ny zavatra rehetra ianao, kanefa tsy misy lanjany ny fanantenanao na ny finoanao raha tsy apetrakao any amin’ny laharan’ny finoana sy ny asa ny sitraponao. Handresy ianao raha miady ny adin’ny finoana miaraka amin’ny herin’ny sitrapo rehetra. Tsy natao hitokiana ny hevitrao, ny fahatsapanao, ny fihetseham-ponao, satria tsy azo itokiana izy ireo, indrindra ireo hevitrao efa simba; ary ny fahalalana ireo voady tsy tanteraka sy ireo fanekena tsy voatandrina dia mandemy ny fahatokianao ny tenanao, sy ny fahatokian’ny hafa anao.HAT 127.2

    Kanefa tsy ilainao ny ho kivy. Tsy maintsy manapa-kevitra ianao ny hino, na dia toa tsy marina sy tena izy aminao aza ny zavatra rehetra. Mila miteny aminao aho fa ny tenanao ihany no nitondra anao eo amin’io toerana tsy mahatsiriritra io. Tsy maintsy alainao hiverina ny fahatokianao an’Andriamanitra sy ireo rahalahinao. Anjaranao ny hampilefitra ny sitraponao amin’ny sitrapon’i Jesôsy Kristy; ary raha manao izany ianao, dia horaisin’Andriamanitra ho fananany avy hatrany, ary hiasa ao anatinao mba hikasa sy hahatanteraka ny sitrapony. Hoentina eo ambany fifehezan’i Kristy manontolo ny toetranao voajanahary; ary na dia ny fisainanao aza dia hilefitra eo Aminy.HAT 128.1

    Tsy afaka ny hifehy ny filana hanao zavatra tampoka ianao sy ny fihetseham-ponao araka izay mety hirinao kanefa afaka mifehy ny sitrapo, ary afaka ny hanao fiovana manontolo eo amin’ny fiainanao ianao. Amin’ny alalan’ny fampileferana ny sitraponao amin’i Kristy no hiarahan’ny fiainanao miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra, ary hikambananao amin’ny hery izay ambony noho ny fanapahana sy ny hery rehetra. Hahazo hery avy amin’Andriamanitra ianao izay hihazona anao hifikitra amin’ny heriny; ary fahazavana vaovao, eny, na dia ny fahazavan’ny finoana velona aza dia ho azonao atao ny hanana azy. Kanefa tsy maintsy miara-miasa amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny sitraponao, fa tsy amin’ny sitrapon’ireo namana izay iasan’i Satana mandrakariva mba hamitahana sy hanimbana anao.HAT 128.2

    Tsy irinao, tsy misy hataka andro, ve ny hametraka ny tenanao amin’ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra? Tsy hiteny ve ianao manao hoe: “Homeko an’i Jesôsy ny sitrapoko, ary hataoko izao ankehitriny izao izany,” koa manomboka amin’io fotoana io dia aoka ho ao amin’ny laharan’ny Tompo mandrakariva ianao? Aza mankatò ny fomba sy ny antso matanjaky ny fitiavan-kanina sy ny faniriana tafahoatra. Aza avela mihitsy i Satana hanao hoe: “Mpihatsaravelatsihy mahantra ianao.” Hidio ny varavarana mba tsy hiampangan’i Satana anao toy izany, ary hahakivy fo anao. Mitenena hoe: “Hino aho ary tena mino fa Andriamanitra no mpanampy ahy,” ho hitanao fa mpandresy ao amin’Andriamanitra ianao. Ny fihetseham-po rehetra dia hoentina ho babon’ny sitrapon’i Jesôsy amin’ny alalan’ny fihazonana mafy mandrakariva ny sitrapo ho eo amin’ny laharan’ny Tompo. Ho hitanao amin’izany fa ho eo ambonin’ny vatolampy mafy ny tongotrao. Ny sombiny bitika indrindra amin’ny herin’ny sitrapo anananao no takina amin’izay fotoana izay, kanefa Andriamanitra no miasa ao anatinao, ary hivoaka avy ao amin’ny lasitry ny fandrendrehana ianao fitaovana ho amin’ny voninahitra.HAT 128.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents