Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 48 — Ny Tena Fanabeazana Marina

    Ny tena fanabeazana marina dia ny fandentehana ireo hevitra izay hisy fiantraikany eo amin’ny fo sy ny saina amin’ny fahalalana an’Andriamanitra Mpamorona sy i Jesôsy Kristy Mpanavotra. Izany fanabeazana izany dia hanavao ny saina sy hanova ny toetra. Hampahatanjaka sy hanamafy ny saina amin’ny bitsika feno fitaky ny fahavalon’ny fanahy, ary hahatonga azy ho afaka hahafantatra ny feon’Andriamanitra. Hahatonga ny olona nahita fianarana ho afaka ny ho mpiara-miasa amin’i Kristy izany.HAT 145.2

    Raha mahazo izany fahalalana izany ny tanorantsika, dia ho afaka ny hahazo ny sisa rehetra izay tena ilaina; fa raha tsy izany, ny fahalalana rehetra mety ho azony avy amin’izao tontolo izao dia tsy hametraka azy ireo amin’ny laharan’ny Tompo. Mety ho afaka hanangona ny fahalalana rehetra izay azon’ny boky omena izy ireo, kanefa dia mbola tsy mahalala na inona na inona ny amin’ireo fitsipika fototra voalohany amin’io fahamarinana io izay hanome azy ireo ny toetra ankasitrahan’Andriamanitra.HAT 145.3

    Ireo izay mikatsaka ny hahazo fahalalana eto amin’ny sekolin’ny tany dia tokony hahatsiaro fa misy sekoly iray hafa izay mitaky azy ho mpianatra ihany koa, -ny sekolin’i Kristy. Tsy mahazo diplaoma mihitsy ny mpianatra avy ao amin’io sekoly io. Mpianatra ao avokoa na ny antitra na ny tanora. Ireo izay mitandrina ny torolalana avy amin’ny Mpampianatra any an-danitra dia mahazo mandrakariva fahendrena bebe kokoa sy fahamendrehan’ny fanahy, ary amin’izany izy ireo dia ho voaomana ny hiditra ao amin’ny sekoly ambonimbony kokoa, izay hitohy mandritra ny mandrakizay ny fisondrotana.HAT 146.1

    Mametraka eo anoloantsika ireo lesona lehiben’ny fiainana ny Fahendrena Tsy Voafetra, -ireo leson’ny adidy sy ny fahasambarana. Matetika, mafy ny mianatra azy ireo, kanefa raha tsy misy azy ireo dia tsy afaka hanao ny tena fandrosoana isika. Mety hitaky ezaka amintsika izany, ranomaso, eny, mety ho fitaintainana; kanefa tsy tokony ho kivy na ho ketraka isika. Eto amin’izao tontolo izao, eo anivon’ny fitsapana sy ny fakam-panahy, no natao hahazoantsika ny fahamendrehana ny hiara-monina amin’ireo anjely madio sy masina. Ireo izay lasa mifantoka be amin’ny fianarana izay tsy dia manan-danja ary mitsahatra tsy hianatra ao amin’ny sekolin’i Kristy dia hifanehatra amin’ny fahaverezana mandrakizay.HAT 146.2

    Ny fahalalana rehetra, ny toetra tsara rehetra izay nomen’Andriamanitra ny zanak’olombelona dia natao mba hampiasaina ho Voninahiny; ary ny fampiasana izany no ahitana ny fanazarana madio indrindra, mendrika indrindra, ary mahasambatra indrindra. Tokony hatao ho ambony indrindra eo amin’ny fiainana ireo fitsipi-piainan’ny lanitra, ary ny dingana mandroso rehetra izay atao ho amin’ny fahazoana fahalalana na fikolokoloana ny saina dia tokony ho dingana mankany amin’ny fanahafan’ny olona an’Andriamanitra. - FCE, tt. 543, 544. HAT 146.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents