Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 49 — Ny Ilana ny Fanabeazana Kristianina

    Takin’Andriamanitra ny fanazarana ny fahalalana ara-tsaina. Fikasany ny hananan’ny Mpanompony faharanitan-tsaina misimisy kokoa sy fahaiza-manavaka mazava kokoa noho ny an’izao tontolo izao, ary tsy ankasitrahany ireo izay tsy miraika mihitsy na kamo loatra mba hahatonga azy ireo ho mpiasa mahomby sy mahazo fahalalana tsara. Mandidy antsika ny Tompo ho tia azy amin’ny fo rehetra sy ny fanahy rehetra, amin’ny hery rehetra sy amin’ny saina rehetra. Mametraka eo amintsika ny adidy amin’ny fampivelarana ny saina amin’ny fahafaha-manao feno indrindra izany, ka amin’ny saina rehetra no ahafahantsika mahalala sy mitia ny Mpamorona antsika.HAT 147.3

    Raha apetraka eo ambany fifehezan’ny Fanahy Masina, arakaraka ny hikolokoloana misimisy kokoa ny saina no hahatonga azy ho azo ampiasaina amim-pahombiazana kokoa amin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra. Ilay olona tsy nahita fianarana izay manokan-tena ho an’Andriamanitra ary maniry fatratra ny ho fitahiana ho an’ny hafa dia azo hampiasaina, ary hampiasain’ny Tompo amin’ny Asa fanompoana Azy. Kanefa ireo izay, miaraka amin’ny toe-tsain’ny fanoloran-tena mitovy amin’izany, nanana tombontsoa tamin’ny fanabeazana feno dia afaka hanao asa mivelatra bebe kokoa ho an’i Kristy. Misy tombony kokoa ny toerana misy azy.HAT 148.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents