Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ambarao ny Fahafahanao

    Ataovy lalàna ho an’ny fiainanao fa: na fakam-panahy, na tombontsoa hafa dia tsy hampiala anao amin’ny fanajana an’Andriamanitra izany; satria: «toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanani-lahy Tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay». Olom-boavonjy ianao, manana fahafahana, navotana tamin’ny tamby ambony; miantso anao Andriamanitra, haneho ny fahafahanao, sy hampiasa ireo hery nomen’Andriamanitra ireo olona afaka ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Aza mijanona ela ao ambany fanandevozan’ny ota, asehoy ny fahatokianao an’Andriamanitra satria olona mahatokin’ny Mpanjakan’ny mpanjaka ianao.HAT 17.2

    Asehoy amin’ny alalan’i Jesôsy Kristy fa mendrika ny fitokian’ny Tompo ianao raha nanome voninahitra anao Izy tamin’ny nanomezany anao aina sy fahasoavana. Tokony handà ny fileferana ao ambanin’ny herin’ny ratsy ianao. Toy ny miaramilan’i Kristy dia tokony hanaiky mazava sy amim-pahendrena ny fepetry ny famonjena amin’ny fotoana rehetra isika, hanaja ireo foto-kevitra marina ary hiaina araka ireny. Ho fanilon’ny tongotrao ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Aoka ianao ho marina eo imasonao sy eo imason’Andriamanitra. Izay azo hozongozonina dia hozongozonina, fa raha mifototra sy mamaka ao amin’ny fahamarinana ianao, dia mitoetra miaraka amin’ireo zavatra tsy azo hozongozonina. Mahatoky ny didin’Andriamanitra sady tsy miova; satria fanehoana ny toetr’i Jehôvah izany. Koa raiso ny fanapahan-kevitra tsy hanala baraka ny fahefany na amin’ny teny na amin’ny hery miasa mangina avy aminao.HAT 17.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents