Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanabeazana Mirindra

    Ankehitriny, tahaka ny tamin’ny andron’ny Isiraely, ny tanora rehetra dia tokony hampianarina ireo adidin’ny fiainana andavanandro. Ny tsirairay dia tokony hahazo fahalalana amin’ny sampan’asan-tanana izay raha ilaina dia hahafahany mivelona. Tena ilaina izany; tsy hoe fiarovana azy amin’ny faharatsian’ny fiainana fotsiny ihany, fa ho amin’ny fivelaran’ny vatana, saina, fanahy ihany koa. Na dia azo antoka aza fa ny olona anankiray dia tsy mila ny hiantehitra amin’ny asan-tanana mba hivelomany dia tokony hianatra ny hiasa ihany izy. Raha tsy misy ny fanazaran-tena ara-batana dia tsy hisy na dia iray aza afaka ny hanana toe-batana tomady sy fahasalamana matanjaka; ary ny fifehezan-tena amin’ny asa voalanjalanja tsara dia tena ilaina amin’ny fahazoana saina matanjaka sy mavitrika ary toetra mendrika.HAT 151.3

    Ireo mpianatra izay nahazo fahalalana tamim-boky fa tsy nahazo fahalalana teo amin’ny asa fampiharana dia tsy afaka ny hilaza ho nahazo fanabeazana mirindra. Ny hery izay tokony ho natokana tamin’ny fandraharahana tamin’ny lafiny maro dia natao tsirambina. Tsy hoe fampiasana ny ad-doha fotsiny ny fanabeazana. Ny fampiasam-batana dia anisan’ny fiofanana tena ilain’ny tanora rehetra. Ampahana fanabeazana manan-danja no banga raha tsy nampianarina ny fomba hirotsahana an-tsehatra amin’ny asan-tanana mahasoa ny mpianatra.HAT 152.1

    Ny fampiasana mahasalama ny vatana manontolo dia hanome fanabeazana izay mivelatra sy mora azo. Ny mpianatra rehetra dia tokony hanokana ampaham-potoana isan’andro hanaovana asan-tanana. Izany fahazarana mazoto miasa izany dia ho voakolokolo ary hampirisika ny toe-tsain’ny fahazakan-tena, izay ho fiarovana ny tanora amin’ny faharatsiana maro sy ny fomba fanao mampietry izay matetika vokatry ny hakamoana. Ary izany rehetra izany dia fifikirana amin’ny tanjona fototry ny fanabeazana; satria amin’ny fampirisihana hiasa, ny fahazotoana, ny fahadiovana, dia manjary mifandrindra amin’ny Mpamorona antsika isika.HAT 152.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents